Mamakia Finaritra

Ity no bilaogiko amin'ny teny malagasy hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia ny fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/). Mamakia Finaritra

08/13,2014

Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Tanora

Ankalazaiko amin’ny alalan’ny fanoratana ity lahatsoratra ity ny Andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora (12 Aogositra 2014), amin’ny maha-tanora reny ahy, ary indrindra ihany koa fa tanora no tena mandrafitra betsaka (atsasa-manila) ny mponina eto Madagasikara. Izay midika fa manana anjara toerana goavana ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Afaka manova zavatra eo anivon’ny fiarahamonina ny tanora amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra avy hatrany, saingy tsy ampy ny fanohanana azy ireo amin’ny lafin-javatra maro samihafa. Marihina ety am-piandohana fa ny lohahevitra amin’izao andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora izao dia « Ny tanora sy ny fahasalamana ara-tsaina » miaraka ny teny filamatra hoe “zava-dehibe ny fahasalamana ara-tsaina”.

Maro ny zavatra mampivarilavo ny tanora ankehitriny:

Maro ny tanora no variana amin’ny rendrarendra tafahoatra, ny filibàna, ny fisotroana toaka ary ny tena ratsy indrindra dia ny fidorohana zava-mahadomelina izay manimba tanora maro. Eo koa ny firosoana amin’ny fanaovana firaisana aloha loatra (14 taona) izay mitarika vohoka tsy niriana sy ny tahan’ny aretina SIDA. Tsy lazaina intsony ireo horonantsary mamoa-fady amin’ny aterineto, tsy ampy ny fandaharana sy ny fanentanana, fandrisihana ny tanora hitia fianarana, fandrosoana, fandraisana andraikitra. Ary eo indrindra ihany koa ny tsy fahitana asa na ny tsy fananan'asa…

Tompon’andraikitra avokoa isika rehetra:

Miainga amin’ny ray aman-dreny izay tokony haneho fihetsika mendrika sy tompon’andraikitra ao an-tokantrano, ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny. Eo koa ny mpanabe izay mandray anjara lehibe amin’ny fanabeazana ny tanora, hamafisina ny fitsipi-pipehezana ny tanora any an-tsekoly satria maro ny sekoly baranahiny amin’izao fotoana izao. Ary indrindra ihany koa ny fanjakana izay manana adidy lehibe amin'ny fampivoarana ny tanora.

Politika hoan'ny tanora:

Tokony hametraka politika mazava hoan'ny tanora ny fanjakana. Mila tohanan’ny fanjakana izy ireo amin’ny fanaovana maimaim-poana ny fianarana mba hanohizany hatramin’ny farany izany, ny fanomezana asa hoan'ny tanora, ny fampiroboroboana ny sekoly fianaran’asa, ny fampiroboroboana ny fananganan’ny tanora orinasa. Efa maro tokoa ny hetsika fifaninanana momba ny fananganana orinasa saingy mbola tsy ampy. Fananganana toeram-pitsaboana sy fanomezana toro-hevitra maimaim-poana (ara-pananahana, sns..) hoan’ny tanora. Ampitomboina ny fifaninanana amin’ny sehatra maro samihafa azon’ny tanora handraisana anjara (toy ny fanatanjahatena, kabary, lahatsoratra, sns tsy voatanisa mety handrisika ny tanora hikolokolo ny talentany sy hampiasa izany amin’ny fampandrosoana) 

Tsy azo lavina fa manampy ny tanora ihany koa ny fandraisana anjara amina adihevitra na amin’ny aterineto izany na ivelan’ny aterineto. Ka tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa ny fahafahan’ny  tanora hiditra aterineto mba hanovozan’izy ireo fahalalàna sy hanehoan’izy ireo hevitra an-kalalahana ary tokony hisy tompon’andraikitra politika hihaino ny hevitr’izy ireo fa tsy ampitahorina na rahonana amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka anaty aterineto (cybercriminalité).

Fandraisana andraikitra

Mila mandray an-tanana ny hoavintsika isika tanora, hibanjina ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka any aoriana. Ilaina ny miditra amin’ireny fikambanana sosialy, na mpanao asa soa ireny, izay efa miroborobo amin’izao fotoana izao. Mazoto amin’ny fanaovana adidy (ara-tsosialy, fiangonana,..).  Hijoro hatrany eo anivon’ny fiarahamonina, tsy miandry ny hafa raha mahita zavatra iray tokony hamboarina na diovina, fa raisina avy hatrany ny andraikitra.  Ohatra bitika iray : feno fako ny tokontany ao an-tanàna, mifampiandry anefa ny isan-tokantrano amin’ny fanadiovana izany, raha manana fotoana kely ianao tanora, raiso ny andraikitrao ary diovy izany

Mandalo tokoa ny fahatanorana ka araraoty dieny tanora isika, tsara fantarina ny zavatra tsara sy izay mahasoa mety hanampy antsika amin’ny fahombiazana eo amin’ny fiainana mba ahafahantsika manampy ny hafa sy hampandroso ny firenena ihany koa, mahay mitsinjo sy mitaratra sahady ny hoavy satria ny tanora tokoa hono no hoavin’ny firenena. Hoy ny ohabolana diso fantantsika hoe « tanora mamboly hazo, manan-kialofana rehefa lehibe », koa raiso ary ny andraikitra rehetra tandrify antsika mba hahatonga antsika ho olom-banona, olona matahotra an'Andriamanitra. Farany fa tsy ny kely indrindra dia ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra satria tsy afaka mandeha irery isika raha tsy manana Ray mpiahy hametrahana ny fiainantsika sy ny hoavintsika. Mirary soa antsika tanora amin’izay rehetra atao, aza kivy, fa mitsangana, mandrosoa hatrany, hoavy foana ny fotoana hinjinjantsika ny ezaka sy ny filofosana atao.

 

Mpitoriteny 11:9-10Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina hianao amin’ izany rehetra izany. Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana. »

tanora | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

10/04,2013

Tsy takatry ny saina ny fiasany

Fetin’ny reny tamin’ny herintaona aho no nanoratra farany tato ary tafaverina hitondra vaovao mahafaly eto indray hizara ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny fitantanany ny fianako nandritra izaho bevohoka, koa dia zaraiko eto izany ho fijoroako vavolombelona, araka ny voalaza ao amin’ny 2 Timoty 1:8 hoe: “Aza menatra ny ho vavolombelon 'ny Tompontsika … ».

Tamin’ny taona 2011, faly izahay raha nahafantatra fa bevohoka aho satria efa 8 taona ny  zanako voalohany tamin’izay, izany  hoe 8 taona taty aoriana indray vao hiteraka. Faly tokoa satria hitaiza indray. 1 volana ary ny kiboko, nahatsiaro marary eo amin’ny kiboko foana aho, tsy taitra anefa izahay satria nihevitra fa fomban’ny vehivavy bevohoka ilay marary ao amin’ny kibo. Mitohy foana anefa ilay marary ka tsy mandry  ny saina ary nanontany ireo namana vao avy niteraka raha narary tahaka izany izy ireo ary dia navaliny fa marary tahaka izany mihitsy indrindra fa ela tsy niteraka, dia somary mandry indray ny saina. Nihà-marary ihany anefa ilay izy ary nanomboka nikoropaka izahay satria lasa mandringa mihitsy aho rehefa mandeha, 1 volana sy tapany tamin’izay, tsy niandry ela fa nandeha nanao “echo”, ka indrisy nilaza ny dokotera fa efa tsy mitombo intsony ilay “embryon” ka tsy maintsy esorina, nalahelo mafy izahay ary tsy natoky ka namonjy dokotera hafa manam-pahaizana manokana momba ny taovam-pananahana sy kibo (gynécologue), nasain’ity farany nanao analyse “ Béta-HCG (gonadotrophine chorionique)”aho, ary voamarina ny tsy fitomboan’ilay “embryon”. Tsy maintsy noesorina ary ilay izy na dia mafy aza Cry. Andro maromaro vao afaka ny alahelo. Rehefa nozahana ny antony nahatonga izany dia nohon’ny fisian’ny aretina toxoplasmose, ka notsaboina tamin’ny alalan’ny “rovamycine” avy eo. Tsy kivy anefa fa nanantena  mbola hahazo indray satria nilaza ny dokotera fa afaka 2 volana dia efa mahazo mametraka zazakely indray. Nanisa andro, volana ary izahay, nikasa mihitsy hoe apetraka amin’ity andro sy volana ity dia teraka amin’izao, sns…lasa ny herintaona, herintaona sy tapany saingy tsy nety mihitsy ….Fikasana tokoa ny an’olombelona fa Andriamanitra no mandahatra.

2 volana taorian’ny nanesorana ilay zaza dia nisy zavatra marary foana indray  teo amin’ny kiboko, indrindra eo @ ankavanana, ka nandeha nanao “echo",  nilaza anefa ny dokotera fa madio tsara ny tranon-jaza, tsy misy zavatra hafahafa, dia nilamina ny saina. Marary matetika anefa ilay izy dia niverina nanao “echo” indray, nilaza ny dokotera fa “ovaire” mivonto ka notsaboina tamin’ny alalan’ny fanafody maromaro. Kanefa mbola marary foana e!, nanao “echo” tany an-kafa indray dia milaza ny dokotera fa normal daholo, ilay izy anefa marary, sasatra nanao “echo”, nilaza ny mpitsabo fa “calcul” ka mila misotro rano matetika, tao ny dokotera nilaza fa mety kankana, notsaibona odi-kankana, fa tsy mety afaka foana ilay marary. Lany aiky aho ka misy indray ny manoro hevitra hoe miotra, rehefa niotra anefa mbola  tsy afaka ihany. Ny hany sisa fanantenana dia ny ao ambony, nivavaka aho sy nanankina ny fiainako tamin’ny Tompo, satria Izy no mahalala izay mahasoa ahy .

 8 taona niasàna taminà orinasa momba ny filokàna aho, efa ela aho no nikasa hiala tao amin’io orinasa io fa noho ny fahasahiranana sy ny tahotra tsy hahita asa dia niaritra ihany, satria somary tsara ihany ny karama no sady niadana koa satria miasa tapak’andro fotsiny (ny hariva @3 hatr@ 7ora) ary miasa 4 na 5 andro ao anatin’ny herinandro. Nahafahako nanohy ny fianarako sy nanao zavatra hafa maromaro mihitsy, noho ity aretina ity anefa dia lasa ny saiko hoe ankasitrahan’Andriamanitra ve ity asa ity?. Tapaka ary ny hevitra fa hiala @io asa io aho dia hitsabo tena ary nanaiky ny vadiko.

Teto no niseho ny voninahitr’Andriamanitra , niala tamin’ny asako aho ary natomboka t@ fakàn-drivotra tany Ambanivohitra ny fitsaboana tena, rehefa niala sasatra tany dia nitaingina bisikileta tsy nisy hisatra, ka nianjera nihosona t@ tany ka folaka ny tanana, nivonto ny handrina sy ny maso, mahagaga anefa fa hay ity izaho efa bevohoka t@io fa tsy nahafantatra na inona na inona satria nihevitra fa mbola tsy nipetraka foana, ny vadiko niteny ahy hoe raha bevohoka moa ianao dia ahoana?, rehefa nandeha teny tokoa ny andro dia tsy niverina ny fadim-bolana, rehefa nanao “test” dia akory ny hafaliana fa positive, izany hoe bevohoka aho, dia gaga izahay hoe vao niala ny asako aho tonga dia bevohoka, ary na dia nianjera be tamin'ny bisikileta aza tsy naninona, nihevitra ary nino avy hatrany aho fa valisoa avy amin'ny Tompo izany satria nahafoy aho ary nomeny lavitra tsy araka ny noeritreretiko. Faly sahirana ary izahay satria raha saika mbola hitsabo tena, kanjo bevohoka, avy hatrany dia nanatona dokotera ary nasaina nanao analyse hijerena raha efa afaka tsara ilay toxoplasmose nahatonga ilay vohoka tsy nety teo aloha, akory ny fahatairana raha naharay ny valin’ny analyse satria mbola positive ihany ilay “toxo”, ka nasaina notsaboina fanafody “rovamycine” indray, nitebiteby fatratra tsy nisy toy izany nefa nana-pinoana ihany aho fa valisoa avy amin’Andriamanitra ity zaza ity ka tsy tokony ho taitra fa mivavaka foana, nanantona ilay gynécologue voalaza etsy ambony izahay ary nilaza izy fa tsy misy atahorana satria efa “ancienne ilay toxoplasmose” ary najanona ny fihinanana ilay fanafody.

Tao anatin’izany koa anefa, 1 volana ny kiboko, naharay “fampiatsoana” avy amin’ny tribonaly (ady madio) aho ka somary taitra, nefa tsy naninona. Nivezivezy teny amin’ny tribonaly ny tenako sy ny kiboko nandritra ny fotoana nitondrako vohoka. Mandritra izany anefa, mbola reko marary matetika ilay eo amin’ny kiboko ka indraindray lasa ny saina hoe tsy ho tàna mihitsy ity zaza ity raha izany marary izany fa noentiko ambavaka teny foana.

Raha tsorina ny fotoana nitondrako vohoka dia niaina tao anatin’ny tebiteby, fitaintainana, nefa noho ny herim-bavaka ary indrindra indrindra noho ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy takatry ny saintsika, dia teraka soa aman-tsara aho efa tamin'ny volana mey, salama tsara ny zaza, ary tsy dia reko firy intsony ilay marary. Izao vao malalaka afaka nanoratra satria mbola sahirana tamin'ny fitaizana Smile.

 

Fivavahana | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

08/26,2012

Andraso eo Paoly!

Dia ireny niaraha-nahita ireny ny tohin’ny famahana ny krizy izay  iantsorohan’ny SADC, samy tsindrin-daona tokoa  ny tsirairay  niandry izay ho voasazy amin’izy roa lahy  (Ravalomnana Marc – Rajoelina Andry) taorian’ilay fivoriana an-tampony faha 32 an’ireo filoham-panjakana ao amin’ny SADC farany teo tany Maputo, tsy nisy anefa ny sazy nilatsaka fa ny fanohizana ny fitadiavam-bahaolana no atao, dia ny fanarahana antsakany sy andavany ny tondro-zotra, izay vao tapa-kevitra hanatanteraka sy hanaja ny tondro-zotra, herintaona taoriana ny fanaovan-tsonia? Ary ilay tondro-zotra tsy tonga dia hoe hampiharina dieny izao fa mbola misy fepetra, satria mbola hodinihan’ny Troika miaraka amin’ny  Tafika sy ny fitondrana tetezamita ny fotoana tokony higadonan’ny filoha eto Dago ho fampiharana ny andininy faha-20 diso fantatra ao amin’ny tondro-zotra, ka raha tsy misy ny korontana  dia tokony ho tafaverina ao anatin’ny 30 na 60 andro (1 na 2 volana) hono Ravalomanana. Miandry an’i Paoly  i Ravalomanana raha izay no antenainy.

Araka ny efa nosoratako, fotoana very maina sy fandrebirebena ary fika fotsiny izany hoe mbola haniraka delegasionina hifandinika amin’ny foloalindahy sy ny hery velona eto amin’ny tany sy fanjakana izany, efa hita ny toe-tsain’ny miaramila [ireo lehibe] fa tsy mankasitraka velively ny fiverenan’ny filoha teo aloha an-tanindrazana satria mety hanohintohina ny tombotsoan’ny sasany. Efa mazava be rahateo ihany koa ny hevitry Rajoelina Andry, ary tsy hiova amin’ny heviny mihitsy izy raha izao fandehan-draharaha politika izao no jerena, tena mafy ange ny fatahoran’ny filohan’ny tetezamita sy ny mpanara-dia azy an’ingahy Ravalomanana Marc e!  Vao maika nitombo be izany tahotra izany taorian'ny nahalany an-dRavalomanana ho filoha mpanampy eo anivon'ny FJKM.

Tsy nilaza ny marina izay tena tapaka ny SADC taorian’io fihaonambe io, tahak’izay foana moa hatramin’ny fiandohan’ny fihaonana (face à face) nisy teo amin’izy roa lahy ny fanambaran’ny sadc, somary mifanipaka amin’ny zavatra hita, tsy mazava, maloka tanteraka. Tsy sahy milaza izay tena zava-nitranga izy ireo, matahotra ny hahazo tsikera noho ny tsy fahombiazan’ny fanelanelanana ataony ve?  Sarotra anefa ny hanome tsiny azy ireo, saro-toerana ny sadc satria tsy manan-jo hibaiko (imposer) fa voafetra amin’ny fampandrosoana vahaolana (proposition) ihany no azony atao. Tokony hampiseho mazava fotsiny anefa izy fa tsy miandany amin’ny fanelanelanana ataony, ny fanambarany miovaova sy tsy mazava ataony no mahatonga ny olona hitsara azy ireo ho manana firehana.

Dia ho hita indray izay ho tohin’ny tantara raha ho tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aoriana ny 2 volana na tsia? Endraso eo Paoly raha avelan’i Rajoelina hody eo izany Ravalomanana. Mety mbola hamorona fanohizana dinika vaovao indray izy? Dia hitarazako eto foana ny famahana ny krizy. Vahaolana firy izay no nampiasana, nolazaina fa ity no tena farany (dernière chance) fa mbola tsy hita ihany izay mangirana.

 

 

Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

08/15,2012

Inona ny vahaolana?

Asa re! hanao ahoana ity Madagasikara malalantsika ity, iza loatra no mahatonga ny firenentsika latsaka an-katerena sy anaty kizo tahaka izao? Nefa dia firenema manankarena sy afaka mandroso tanteraka ny firenentsika. Maro ny vahaolana naroso noentina namahana ny krizy fa nandamoka avokoa. Mety ho vahaolana mahomby sy maharitra ary ve izay fanapahan-kevitra farany ho raisin’ny SADC aorian’ny  fihaonamben’izy ireo any Maputo? Maro ny mihevitra fa tsy handravona ny olana misy ny fanomezana sazy na ny andaniny na ny ankilany izay lazaina fa sakana tsy hirosoana amin’ny vahaolana.

Koa inona ary ny vahaolana farany? Aiza ary any amin’iza ny fanalahidin’ny vahaolana? Tsotra sy haingana ihany anefa ny vahaolana raha tena tao anatin’ireo mpifanandrina nahatonga ny krizy izany atao hoe tena fitiavan-tanindrazana izany, tsy mila nandany vola be sy andro akory, tsy nila an’izany SADC izany koa, fa raha tena tia tanindrazana marina izy ireo dia tsy nihambahamba nanome toerana sy lanja ny Soatoavina Malagasy, dia ny FIHAVANANA, ny FIFANDEFERANA tokony samy hiaiky fa samy diso ka ny hahasoa ny firenena sy ny vahoaka ao aminy amin’izay no hobanjinina. Koa aok’izay ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka noho ny fitiavan-tena sy hambom-po diso toerana. Matahora ny ao ambony, matahora ny tody, fandalovana ny ety an-tany ka tsy aleo ve mifamela ho tombotsoa ambonin’ny firenena.

Ka raha hifamela ary izy ireo, ary samy hirotsaka hofidiana, hitondra vahaolana maharitra marina ve? Ao ireo milaza fa vahaolana tsotra ny tsy firotsahan’izy ireo hofidiana. Tadidio anefa fa zony feno ny hirotsaka hofidiana, ary tsy azo sakanana amin’izany izy ireo. Safidim-bahoaka io ka izay mamim-bahoaka sy hitokisany ihany? Ka aleo hirotsaka izy roa lahy fa aza raràna. Afaka tsy mifidy azy ireo milaza ny tsy tokony hirotsahany, sady raha tsy hilatsaka hofidiana izy ireo. Iza no mety mahasolo tena azy ary iza no hiantefan’ny safim-bahoaka? Roland Ratsiraka ve? Sa Pierrot Rajaonarivelo? Sa Pasitera Mayol? sns. An’ny tsirairay ny safidy.

NEFA hanao ahoana ny aoriana ny fifidianana raha lany ny iray amin’izy roa lahy? Any ampelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny baolina amin’izay, izy ireo no tompon’ny basy, afaka hametraka ny filaminana sy hanafay ireo izay tsy mahazaka resy ka minia mbola hanakorontana indray aorian’ny fifidianana, RAHA tena fifidianana madio, mangaraharaha, nialohavan’ny fitoniana ara-politika sy ny fampihavanam-pirenena, fifidianana niarahan’ny rehetra nikarakara, eken’ny rehetra, eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena marina no natao. Asa re! hanao ahoana ny fihetsiky ny miaramila? mbola hiray tsikombakomba amin’ny olom-bitsy ihany ve ka hanongam-panjakana sa hipetraka amin’ny  maha-tandroka aron’ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena amin’izay aorian’izay ho fifidianana? Azy ireo ny basy ka azy ny fahefana hoy ilay olona izay. Rehefa hendry ireo miaramila ka manatontosa ny asany amin’ny antsakany sy andavany, milamina ny firenena. Tsy nisy izao krizy izao raha nanaja ny hasiny sy ny lanjany ny miaramila ka tsy nanampy an-dRajoelina handrombaka ankeriny ny fahefana, izao sisa no vokany. Any aminareo mpitandro ny filaminana indrindra ihany koa no tena misy ny vahaolana. 

 

Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

08/10,2012

Ho hita eo izay hafitsony sy havoakany.

Eo amin’ny sehatry ny politika indray no hosoratako anio rehefa tsy heno heno tao anatin’ny fotoana lava, na izany aza manoratra foana ihany aho ao amin’ny bilaogiko amin’ny teny frantsay izay azonao tsidihana eto.


Tato anatin’ny fotoana fohy, maro ireo tranga niseho nifanesisesy: ny fikomiana tao amin’ny tobin’ny RFI Ivato, ny fandroahana an’i Lalao Ravalomanana tamin’ny figadonany tao an-tseranam-piaramanidina, ny fihaonana voalohany teo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina tatsy Seychelles, ny fanambarana ny tetiandron’ny fifidianana, ny fihaonana fihodinana faharoa teo amin’izy miralahay mianaka, sns. Tsy lazaina intsony ihany koa ireo hetsika maro samihafa miseho lany toy ny fitakiana sendikaly (ny fitakian’ny SEMPAMA izay efa nihanaka hatrany amin’ny faritra sy ambanivohitra maro, ny fitakian’ny mpitsabo mpanampy, ny SECES sy ny mpianatra eny Akatso, ny SMM, sns. Ao koa ny tsy fandriampahalemana, ny fihanaky ny asan-dahalo manerana ny Nosy, ny fisian'ny Remenabila sy ny ekipany mandravarava any atsimo, sns. 

 

Na dia eo aza anefa izany olana maro be izany, mbola tsy naharototra foana ireo tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny firenena ny tokony hamahana haingana dia haingana ny krizy, tsy iainany tokoa ny fahantrana, hany ka nandamoka indray ny fihaonana fihodinana faharoa nisy teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tatsy Seychelles, izay efa tsy mahagaga ny mpanara-baovao intsony ny vokatra tamin’izany. Iza no tena miziriziry? Iza no sakana ka mety hahazo ny fanasaziana avy amin’ny SADC? Tonga hifampitafa sy haka ny hevitr’ireo hery velona sy mpanao politika nanao Sonia ny tondrozotra indray ny SADC, kely ny finoana hivoahany amin’izany, sady efa hita rahateo koa ny firehana misy amin’ireo mpanao politika 10 nanao sonia ny tondrozotra, izay fantatra fa mpanohana ny FAT no maro an'isa. Eo am-pelantantan’ny SADC ankehitriny ny fivoahana amin’ny krizy, telo taona mahery izay, mbola eto ihany, mihalalina hatrany ny kizo iainana. Natao daholo izao rehetra izao fa eh eh eh!, nivezivzey tetsy sy eroa nitsidika firenena Afrikanina maro fa eh eh eh, tsy mahomby hatrany ny fanelanelanana nataon’ny SADC, izay tsy mazava amin’ny maro ihany koa ny tena tanjony. Ho hita eo izay hafitsony sy havoakany. Ny fanantenana sy ny irariana dia ny fahitsin'ny fitsarana sy ny fijery ny SADC amin’izay fanapahan-kevitra horaisiny aoriana ny fihaonana an-tampon’ny SADC amin’ny 17-18 Aogositra izao.


Voalaza fa teo amin’ny fikasan-dRavalomanana hilatsaka hofidiana filoham-pirenena no tena nikatso ny dinika? Tsy manaiky ny hirotsahan-dRavalomanana i Rajoelina, nilaza ity farany fa tsy ampy ny fepetra hahafahan’ny filoha teo aloha hirotsaka hofidiana filoham-pirenena Malagasy, saingy neken-dRajoelina kosa hono ny fodiany an-tanindrazana FA mbola hifampiraharahana amin’ny miaramila sy ny fitsarana aloha hoy izy. Azo lazaina fa mbola misy hafetsena ihany satria mbola asiana fepetra ilay fodiana. Inona moa no mbola tokony hifampiraharahana amin’ny polisy sy ny fitsarana rehefa manome baiko sy fanazavana fotsiny Rajoelina filohan'ny tetezamitatra hoe: mba hivoahana amin’ny kirizy ry tompoko lahy sy tompoko vavy, nanaiky aho, nandefitra be aho fa hampodiana ny filoha teo aloha satria ny fitiavan-tanindrazana no manosika ahyyy Laughing! Hifampiraharaha mbola haharitra hafiriana indray? Hoy ihany koa izy nilaza teny Ivato rehefa tonga avy tany Seychelles fa tsy ho tafaverina eo amin’ny fitondrana izany intsony Ingahy Marc Ravalomanana, nanatevin-daharana ireo mpaminany koa Rajoelina ka efa mahita ny hoavy sahady fa tsy ho eo amin'ny fitondrana intsony ny filoha teo aloha nahongany? Hanao izay ho afany izy arak’izany mba tsy hiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana sy hirotsahany hofidiana. Ho hita eo koa izay hafitsony sy havoakany.      

 

Fa dia mafy sy mangidy loatra ny fahatahoran’i Rajoelina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny firotsahan’ity farany hofidiana filoham-pirenena ka sakanana amin'ny fomba rehetra, inona no antony? Samy manana ny valinteniny isika nefa mety misy mitovy fijery ihany koa.

 Amiko anefa tsy tokony hosakanana izay te hirotsaka hofidiana, safidin'ny tsirairay io ary anjaran'ny vahoaka no mifidy izay tiany. Mazava ihany koa ny lalampanorenantsika fa afaka mirotsaka hofidiana daholo izay te hilatsaka ary anjaran’ny vahoaka no mifidy izay olona tiany hapetraka hitondra ny fireneny.

 

 

 

Politika | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»