Mamakia Finaritra

Ity no bilaogiko amin'ny teny malagasy hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia ny fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/). Mamakia Finaritra

06/03,2012

Neny, tsy misy toa anao

Nampidirin'i mammysou : 16:55

Miarahaba antsika reny rehetra aminin’izao fetin’ny reny izao. Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho antsika renim-piakaviana. Ny Tompo anie homba sy hitahy antsika ary hanome hery hatrany amin’ny adidy aman’andraikitra miandry antsika isan’andro. Mahereza daholo isika reny!

Ity misy tononkalo kely atolotra ampifaliana sy ampitiavana antsika reny rehetra.

 

Neny, tsy misy toa anao


Tsy hay ny tsy hiteny                                     

Amin’izao fetinao izao ry neny                     

Resy lahatra amin’ny fitiavanao             

Neny, tsy misy toa anao                                  

 

Faly tokoa re ny fo,

Manana reny manasoa

Mamiko sy hajaiko ianao

Neny, tsy misy toa anao

 

Loharano niaviana,                                      

Nisotro ny rano tsy tiana                         

Mikolokolo ny ankohonanao                      

Neny, tsy misy toa anao                               


Na dia eo ny fijaliana

Indro feno fitsikiana

Tsy foiko indrindra ianao

Neny, tsy misy toa anao


Neny, tokana aman-tany                             

Miahy, mitia hatrany hatrany                

Manao izay azony atao,                                

Neny, tsy misy toa anao                             

 

Indro ianao mampahery

Raha sendra iny aho ka irery;

Mampitraka ahy raha mitalaho

Neny, tsy misy toa anao

 

Neny mahalala ny ato am-poko             

Raha toa aho mitoloko                                

Tsy misy atakaloko anao                           

Neny, tsy misy toa anao      

                      

 Inona no havaliko anao

Noho ny soa sy ny haben’ny fitiavana

 Ny Tompo anie homba anao

Neny,  tsy misy toa anao

 

Mamisoa

03 Mey 2012 (fetin’ny reny )

 

 

 

 

Hevitra (6) | Verindrohy (trackback) (0) | Fetin'ny reny


Hevitra

  1. Fanhaiky

    Hafa ihany tokoa i Mama, sarobidy ary tsy hisy hahasolo azy izany, dia mankasitraka nizara ary mirary ho anareo efa reny rehetra ho tahian'Andriamanitra hatrany anie ianareo.


  2. Kdaombaramita

    Milay be fa misaotra e !

    Fa mba fanontaniana kely: misy fiteny malagasy fandreko sady noteneninao eo ambony "reny misotro ny rano tsy tiana", inona moa no tena dikan'io ary amin'ny fotoana toy inona no ampiasàna io fiteny io ?


  3. Fanhaiky

    Re-Kdaomb> Rano ts tiana, tamin'ny vanim-potoana mbola nampalaza ny renin-jaza taloha dia tsy nisy nandeha nisafo izan ny bevohoka fa dia miaina amin'ny tambavy sns omen'ireny renin-jaza mpampivelona ireny dia ilay tambavy angamba no rano tsy tiana raha ny fahazoako azy sa tsy izany ry mammysou ...


  4. mammysou

    Tsy misy fisaorana, ianareo no isaorana mamaky sy tsy misalasala maneho hevitra. Misaotra ee! Mety izay marina no dikany ;), satria avy amina karazana oha-pitenenana avy amin'ny ntaolo ilay fiteny, toy ny hoe (miankin-drindrina irery, sns...)


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype