Mamakia Finaritra

Ity no bilaogiko amin'ny teny malagasy hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia ny fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/). Mamakia Finaritra

07/20,2016

Tononkalo: Tsy nahita tory aho tamin'ny alina.

Nampidirin'i mammysou : 05:41

Ity ary tantara tena marina.
Zavatra niainako t@ alina.
Indro hozaraiko aminao.
Raha toa ka liana ianao.

Tsy nahita tory aho tamin'ny alina.
Ka nifoha ary dia niarina.
Mba hitady aingam-panahy.
Hosoratana ho anao sy ho ahy.

Saingy nanelingelina ireto alika.
Tsy mitsahatra mivovò.
Ka nanjavona tsy hita.
Ilay aingam-panahy tato an-doha.

Lasa aho niverina teny am-pandriana.
Hitady torimaso eo anilan'ilay olo-tiana.
Izy anefa toa tsy mba mandre.
Ilay safosafo fa matory be.

Tsy nety nahita tory fa nipitrapitra.
Mihaino feon'alika tsy mety ritra.
Nijery fahitalavitra no niafarany.
Sady mihainohaino ny any ivelany any.

Faly ery fa nitaky ihany ny torimaso.
Hatory amin'izay tsy misy andraso andraso.
Tampoka teo, nitomany ny zazakely.
Tsy maintsy nifoha, tsy kivy velively.

Dia niverina ilay aingam-panahy.
Ka nanoratra tsy misy ahiahy.
Nahavitako ity tononkalo ity.
Misaotra anao ary nankafy.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou).

Hevitra (4) | Verindrohy (trackback) (0) | Tononkalo


Hevitra

  1. ikalamako

    hihihi soa fa izay no fizotrany fa raha nifamadika hoe ilay olon-tiana no taitra dia ny zazakely no niesona be tsy nandre dia tsy ho tafaverina ilay aingam-panahy :P


  2. JosephNuse

    Wigied iwjw iwj wjwoj wk dncsgkfw http://ghfwijofhe38y39204irjfenjnw9.retwyu


  3. Ahsgdfloqifg

    Pgksrjgiohi hw hweokfjeq ojfe jfweiogwo gwoj wijf gdhgtrj575 y6u75tyhgf 5yu5regr


  4. Xewrtyuoipye

    Xighefjeo orj wokwp dkow pwk wodj d hfdgfhgf 4756 5uhtyjur urt45



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype