Vetsovetson'i Mamisoa

Ity bilaogy ity dia natao ho fanandratana sy ho fitehirizina ny teny Malagasy ary koa ho fampahafantarana ny kolontsaina Malagasy. Ato no hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza, izany rehetra izany dia amin'ny teny vMalagasy madiodio. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia hivelaran'ny teny Malagasy sy hanehoana ny maha-kanto azy. Ary koa ho fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/).

12/03,2022

Ravoravo

Ravoravo, fa todisoa ny maraina

Hiatrika tontolo andro, tsy ho be taraina

Ravoravo, fa tomady tsara

Hiatrika tontolo andro, hikatsaka amboara

 

Ravoravo, anilan'ny vady

Mifankatia ho lavitry ny ady

Ravoravo, anilan'ny zanaka

Misy namana manarakaraka

 

Ravoravo, manana havana

Hiray hina tsy mihalangalana

Ravoravo aho, manana namana

Mifankatia, haharitra fiarahana

 

Ravoravo indrindra, manana an'i Jesoa Kristy

Mpitantana ahy, tsy hivily tsy hania

Tena ravoravo loatra, manana an'Andriamanitra

Matalaho Aminy mba hiadam-pinaritra

 

Raveloaritiana Mamisoa

Asabotsy 3 Desambra 2022

Fivavahana , Tononkalo | Hevitra (1) | Hametraka hevitra