Mamy ny Soa
Ity no bilaogiko amin'ny teny malagasy hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (politika, toe-karena, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia ny fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/)
02/01,2012
Mpiasa an-trano
Nampidirin'i mammysou :
14:32
Sarotra ny fiainana
Noho ny fahasarotam-piainana, ny fidangan'ny vidim-piainana, dia samy mandeha miasa mitady vola avokoa na ny lahy ny vavy mba hampifameno ny vola miditra ao an-tokantrano, arak'izany, mivoaka ny trano ny maraina ary ny hariva vao mamonjy fodiana izy ireo, hany ka dia tsy manam-potoana firy intsony amin'ny fikarakarana ny asa rehetra ao an-tokantrano, ka mahatonga azy ireo tsy maintsy mitady mpanampy, arak'izany hoe mpanampy, dia manampy amin'ny asa rehetra ao an-trano izy. Ity resaka mpanampy ity indrindra no tiako horesahina.
Maromaro ny teny iantsoan'ny olona ny teny hoe mpanampy, ao ny miteny hoe, mpiasa, solafa, sns...Raha ny marina aloha dia mpiasa daholo ny tsirairay na izaho na ianao ka tsy tsara loatra ny manaivaiva olona amin'ny fiantsoana na fitondrana azy. Fa rehefa miteny hoe mpanampy dia ny ao an-tsaina voalohany dia ny hoe tsy manana ny maha-izy azy ilay olona, tsy nahavita fianarana, mahantra, sns...Eo koa ny fitondratena ratsy ataon'ireny mpanampy sasany ireny ka mahatonga izany fitsarana izany, any ka tsy voahaja intsony na ny zo maha olombelona azy ireo aza. Ny ankamaroan'izy ireny matetika dia zaza tsy ampy taona avokoa.
Kely karama
Fantatra ihany koa fa kely dia kely ny karaman'izy ireny, amin'izao fotoana izao mbola misy mikarama ambany indrindra 15 000 ar na 75 000 fmg (eny amin'ny tokantrano somary sahirana nefa mbola manarama mpanampy) ao kosa ny mikarama 100 000 ar na 500 000 fmg ny ambony indrindra (eny amin'ny tokantrano manan-katao, na mety ho vazaha,..) arakaraky ny fari-pianan'ilay tokantrano ny karaman'ny mpiasa, fa amin'ny ankapobeny aloha dia eo amin'ny 30 000 ar (150 000 fmg) hatramin'ny 50 000 ar (250 000 fmg) eo avokoa.
Kamo miasa sady ratsy fitondra-tena
Na izany na tsy izany, izaho manokana dia tsy mba tia mpanampy an-trano izany noho ny antony maro samihafa, ohatra eo amin'ny lafiny fahadiovana, ny lafiny ara-bola (sady fandaniam-bola no manelingelina izy ireny indraindray), ny sasany rehefa hirahina miantsena tsy maintsy maka tombony kely foana, ny sasany voretra, ny sasany kamo, ao ny variana amin'ny sipasipa, ao ny mangalatra, ao ny misarika na manadala an'ny ramose
, ao ny mampiana-dratsy ny ankizy kely ao an-trano, tsy voara-maso intsony ny fahadiovan'ny sakafo, ny gouter-ny ankizy sns...
Ao kosa anefa ireo tena vonona hiasa, tsy manao tsirambina ny asa ataony, mazoto, tsara fitondra-tena ary maharitra miasa an-taonany maro mihitsy, vitsy anefa ny toy izany.
Paikady hiakarana an-drenivohitra
Fa isaky ny mitady mpanampy ny olona dia hoe avy any Antsirabe, avy any Fianarantsoa, avy ny Ambatolampy indrindrindra na avy any ambanivohitra lavitra be ka tsy maintsy omena saran-dalana hiakarany aty Antananarivo. Paik'ady daholo anefa izany mba hamelezana anao, roboka ianao satria avy any lavitra ilay olona ka ho tamana satria lavitra ny misy azy, tsy mahalala fianana an-drenivohitra, sns.. lazaina koa fa azo antoka izy ee, miasa tsara izy ee, hendry be izy eee, patati patata eee,...nefa rehefa afaka andro vitsivitsy, akory ny hagaganao fa olona mahay zavatra be no sady olona mipetraka ery akaiky kely ery fa tsy any Antsirabe na avy any ambanivohitra akory, ianao fotsiny no very vola nanome saran-dalana, sns... Misy kosa anefa ny tena avy any lavitra be fa mody te hiakatra aty an-drenivohitra fotsiny ka paikady ihany ny hoe mitady asa an-trano, tsy misy 2 volana akory izy dia efa manita-tsaina hitady asa hafa tsaratsara dia avelany eo ianao.
Hafa ihany i Neny
Marina fa reraka Neny manenjika ny asa an-trano rehetra, indrindra raha mbola miasa koa izy, kanefa tsy misy afa-tsy Neny no azo antoka, mirindra avokoa ny zava-drehetra ao an-tokantrano rehefa i mama no mikarakara. Noho ny fahasarotam-piainana anefa dia manampy amin'ny fitadiavam-bola koa izy, tsy ataony ambanin-javatra ny fianakaviany na dia izany aza. Fa izao koa moa e, ianareo lehilahy (ny sasany) aza dia kamo
loatra, faly miantehitra amin'ny vehivavy foana amin'ny raharaha rehetra ao an-trano, fa mba reraka ihany izahay lazaina fa fanaka malemy itony. Arak'izany tokony hifanampiana ny asa rehetra ao an-tokantrano mba ho tokantrano sambatra no kendrena.
Raha mbola azo atao dia aleo mihitsy tsy misy mpanampy fa rehefa tsy vita intsony ny asa ao an-trano vao maka mpanampy azo antoka, tsy mora tokoa ny mitady olona hiasa an-trano ka aleo tsy mirotoroto sao sendran'ny olo-dratsy, hangalatra fotsiny no alehany ao dia iny izy no tsy hita, avelany irery ao ny zaza-kely.
Hevitra (8) | Verindrohy (trackback) (0) | Fiaraha-monina
Ny ahy ny tena mampaahelo ahy dia ilay ankizy zaza kely vao 7 na 8 taona alaina hisaraka amin'ny ray aaman-dreniny hiasa trano hono. Alaina dieny mbola kely mba hianatra ilay asa, ho folahina .... Eritreretiko hoe ny zanako no atao toy ireny dia asa fa aleoko mamono tena. Indray alina izay fianakaviana nanana mpanampy mbola zaza eo amin'ny 7 na 8 taona teo, matory ao an-dakozia moa ilay zaza, ary idiny avy ao anatiny ny lakozia @ alina. Fatapera anefa no ampiasain'ilay olona, ka indray alina nandondona tao ilay mpampiasa fa nisy zavatra nilainy, tsy nety namoha ilay zaza fa natahotra, voatery nopitsohana ilay lakozia fa sao dia matin'ny CO² ny afona fatapera tao ilay zaza. HAy tsy nety namoha izy fa natahotra fontsiny, soa ihany !
Mampalahelo tokoa ny tranga toy izany! Azo sazin'ny lalàna tsara ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy tokony mbola hianatra toy izany. Ary tsy tokony horaisin'ilay mpampiasa mihitsy ny ankizy 7 hatramin'ny 15 taona farafahakeliny.Efa maro ihany izay hetsika natao ho fanoherana ny fampiasana zaza tsy ampy taona fa misy tsy te-ahalala
"ao ny misarika na manadala an'ny ramose"
Kozy ve? Ary sao dia izany aza no tsy naneken-dRafotsy mihitsy hampiditra ilay "ambasadora" anankiray be nono sy tsara bika aman'endrika izay. Za tena efa nazoto mihitsy nahita azy hoe mba madio sy mihetsiketsika ity fa tsy amin'ilay voretra fa tsy nety mihitsy rafotsy e!
Aiza koa ee!!
hihihi
Dôty : lolllll tsy afaka mankaiza hoy i Aziew, bas les pattes !! - hihihihi
Tena betsaka kokoa ny lafy ratsiny amin'ny ananana mpanampy ao an-trano noho ny lafy tsarany.
Marina ny tenin'i mammysou, kanefa raha tsy horaisina hiasa koa ilay zaza nefa tsy afaka hianatra fa tsisy ny enti-manana dia boribory vetaveta ihany (cercle vicieux krkrkrk) ilay "situation".
Tsisy tsara toy an'i dada sy neny ary ny ankizy mifarimbona ao an-trano aloha e - raha mbola azo atao. Marina fa raha mbola kely ny zaza dia tsy miaintsy ho i dada sy neny ihany no mihosona ao, fa rehefa mihalehibe kosa izy dia mba mandray anjara mavitrika amin'ny asa aman-draharaha ao an-trano fa sady fampianarana azy amin'ny fiatrehana ny fiainana atsy ho atsy koa izany.
Raha azo iafiana dia aleo maka mpanampy kilasy mody - tena hanao zay mavesatra hita fa tsy tratra fotsiny - ohatra hoe manadio trano indroa isaky ny herinandro.
Miantefa any amin'ireo tovovavy namoy ny ainy niasa tany Liban ny tenanay. Ny fahoriana mahazaka maniraka.
Ikala Jeanine hiran'ny Tarika ny AINGA io e!!!!!Fahantrana daholo izany.