Mamy ny Soa
Ity no bilaogiko amin'ny teny malagasy hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (politika, toe-karena, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia ny fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/)
06/03,2012
Neny, tsy misy toa anao
Nampidirin'i mammysou :
16:55
Miarahaba antsika reny rehetra aminin’izao fetin’ny reny izao. Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho antsika renim-piakaviana. Ny Tompo anie homba sy hitahy antsika ary hanome hery hatrany amin’ny adidy aman’andraikitra miandry antsika isan’andro. Mahereza daholo isika reny!
Ity misy tononkalo kely atolotra ampifaliana sy ampitiavana antsika reny rehetra.
Neny, tsy misy toa anao
Tsy hay ny tsy hiteny
Amin’izao fetinao izao ry neny
Resy lahatra amin’ny fitiavanao
Neny, tsy misy toa anao
Faly tokoa re ny fo,
Manana reny manasoa
Mamiko sy hajaiko ianao
Neny, tsy misy toa anao
Loharano niaviana,
Nisotro ny rano tsy tiana
Mikolokolo ny ankohonanao
Neny, tsy misy toa anao
Na dia eo ny fijaliana
Indro feno fitsikiana
Tsy foiko indrindra ianao
Neny, tsy misy toa anao
Neny, tokana aman-tany
Miahy, mitia hatrany hatrany
Manao izay azony atao,
Neny, tsy misy toa anao
Indro ianao mampahery
Raha sendra iny aho ka irery;
Mampitraka ahy raha mitalaho
Neny, tsy misy toa anao
Neny mahalala ny ato am-poko
Raha toa aho mitoloko
Tsy misy atakaloko anao
Neny, tsy misy toa anao
Inona no havaliko anao
Noho ny soa sy ny haben’ny fitiavana
Ny Tompo anie homba anao
Neny, tsy misy toa anao
Mamisoa
03 Mey 2012 (fetin’ny reny )
Hevitra (4) | Verindrohy (trackback) (0) | Fetin'ny reny
Hafa ihany tokoa i Mama, sarobidy ary tsy hisy hahasolo azy izany, dia mankasitraka nizara ary mirary ho anareo efa reny rehetra ho tahian'Andriamanitra hatrany anie ianareo.
Milay be fa misaotra e !
Fa mba fanontaniana kely: misy fiteny malagasy fandreko sady noteneninao eo ambony "reny misotro ny rano tsy tiana", inona moa no tena dikan'io ary amin'ny fotoana toy inona no ampiasàna io fiteny io ?
Re-Kdaomb> Rano ts tiana, tamin'ny vanim-potoana mbola nampalaza ny renin-jaza taloha dia tsy nisy nandeha nisafo izan ny bevohoka fa dia miaina amin'ny tambavy sns omen'ireny renin-jaza mpampivelona ireny dia ilay tambavy angamba no rano tsy tiana raha ny fahazoako azy sa tsy izany ry mammysou ...