Mamakia Finaritra

Ity no bilaogiko amin'ny teny malagasy hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia ny fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/). Mamakia Finaritra

09/06,2016

Mahay mifankatia

Nampidirin'i mammysou : 14:09


Iriako indrindra isika mianakavy.
Ho salama hatrany miatrika ny hoavy
Miramirana, hendratrendratra miriaria
Miara monina, mahay mifankatia

Mifanaja, mifanohana, mifampitaiza
Isika rehetra na aiza na aiza
Izany no ahafantarana fa mpianatr'i Kristy
Ny olona rehetra mahay mifankatia

Iriako ihany koa hitohy ny finamanana
Tsy miavonavona na koa mialangalana
Mahay mifanavotra raha sendra very dia
Ny mpinamana rehetra, mahay mifankatia

RAVELOARITIANA Mamisoa (@mammysou)

Hevitra (3) | Verindrohy (trackback) (0) | Tononkalo


Hevitra

  1. ikalamako

    Fa ny Fitiavana no ambony indrindra. Misaotra neny a, mahalaza azy io.


  2. mammysou

    Voalazanao ny fehiny ee :)
    Hors sujet kely, ary ndry ohatrany tsy hitako ao @ facebook intsony aa


  3. ikalamako

    hihihi tena novonoiko tanteraka lay compte fa vizaky ny overdose tao ny andrarezina e. Niverina soa aman-tsara aty amin'ny tanàna nahabe nony farany fa mba ampy kosa zay kah. Bà mamy be akia a



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype