Vetsovetson'i Mamisoa

Ity bilaogy ity dia natao ho fanandratana sy ho fitehirizina ny teny Malagasy ary koa ho fampahafantarana ny kolontsaina Malagasy. Ato no hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza, izany rehetra izany dia amin'ny teny vMalagasy madiodio. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia hivelaran'ny teny Malagasy sy hanehoana ny maha-kanto azy. Ary koa ho fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/).

12/12,2022

Rafozana be fitiavana.

Nampidirin'i mammysou : 10:51

Tsy aritro ny tsy hametraka

Tsiahy momba anao ry Neny

Ianao ilay tsy mba ketraka

Manasoa ombieny ombieny

 

Misaotra anao, fa anisan'ny sambatra aho

Nanana rafozana nanaiky ahy

Ianao ilay be fitiavana tsy mizahozaho

Nandray ahy ho vinanto tsy tamin'ahiahy

 

Tsaroko avokoa ny resadresantsika

Mifampizara tsiambaratelo sy tantara

Ireo anatrao marina tsy misy tomika

Ampiharinay hatrany am-para

 

Fitiniko etoana ny nahanfatarako anao

Ilay Rafozana be fitiavana, tsy be talaho

Be fandeferana, mandala ny fihavanana

Tia manampy, mamita didy amin'ireo havana

 

Ry zanako, tsara mba ho fantatrareo

Ireo hatsarana, fahatsoran'ilay "Mamie"-anareo

Ankehitriny izy efa tsy eo, tsy re feo

Ka apetrako ho tononkalo izy ireo

 

Na dia efa aty ambanivohitra lavitra aty

Tonga foana izy mitsidika hankafy

Ny fiarahana amin'ireo zafikely

Nitondrany gouter, laoka, tsy nitsitsiany hery

 

Na dia efa marary aza izy mbola tonga ihany

Mampihetsi-po, indraindray mampitomany

Natosiky ny fitiavana mba hahita ireo taranaka

Nahafinaritra ery rehefa iny ilay tafaraka

 

Tiako ianareo hanan-toetra toa an'ny "Mamie"

Ho feno fitiavana, tia manasoa

Mizara hafaliana, mizara fitia

Sariaka, matanja-tsaina ary tso-po

 

Ilay Rafozana be fitiavana....

Tsara fanahy, tsy mba mialangalana

Nametraka tsiahy tsara teto an-tany

Reharehanay taranaka hatrany hatrany

 

Mbola maro ny tiako lazaina

Fa izay aloha no tonga tao an-tsaina

Feheziko hoe tena tsara fanahy ianao

Ka tadidinay foana hatramin'izao

 

Mino izahay fa efa sambatra ianao

Anilan'ny Tompo any an-danitra any

Mbola hifankahita amin'ireto taranakao

Rehefa tonga ny fotoana hialàna eto an-tany

 

Raveloaritiana Mamisoa

12/12/2022

 

 

 

 

 

 

Hevitra (0) | Verindrohy (trackback) (0) | Fetin'ny reny


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article