Vetsovetson'i Mamisoa
Ity bilaogy ity dia natao ho fanandratana sy ho fitehirizina ny teny Malagasy ary koa ho fampahafantarana ny kolontsaina Malagasy. Ato no hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza, izany rehetra izany dia amin'ny teny vMalagasy madiodio. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia hivelaran'ny teny Malagasy sy hanehoana ny maha-kanto azy. Ary koa ho fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/).
11/01,2023
VAZAHA TARATASY
Nampidirin'i mammysou :
09:58
Ao anaty savorovoro i Madagasikara
Noho ilay taratasy 8 santimetatra
Aoka tsy hadino ireo tolona sy ny tantara
Aoka ny Nosy tsy hitsanga-menatra
Madagasikara ho an'ny Malagasy
Fa tsy Madagasikara hotantaninà Frantsay
Firenena masina tsy avela hanan-dratsy
Ka ho maty foana ireo martiora razambe fahizay
Rehareha ho an'i Madagasikaran'ny Malagasy
Hoe gasy tanteraka no filoham-pirenena
Ka na iza na iza gasy nefa vazaha taratasy
Dia tsy manara-dalàna, tsy azo ekena
Na iza na iza mikasa ho filohan'i Madagasikara
Ariho ny zom-pirenena vahiny mba hangarahara
Ho fanajana ny lalàna ambony sy ny fiandrianam-pirenena
Filoha Malagasy tsy misy pentina ihany no ekena
Nefa moa raha hifanohitra amin'izay
Ka tsy maintsy hotantanin'ny Gasy-Frantsay
Ho maty hasina i Madagasikara manankarena
Ho hanjakan'ny vahiny ny tany tsy hay fefena
Hevitra (2) | Verindrohy (trackback) (0) | Tononkalo