Vetsovetson'i Mamisoa
Ity bilaogy ity dia natao ho fanandratana sy ho fitehirizina ny teny Malagasy ary koa ho fampahafantarana ny kolontsaina Malagasy. Ato no hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza, izany rehetra izany dia amin'ny teny vMalagasy madiodio. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia hivelaran'ny teny Malagasy sy hanehoana ny maha-kanto azy. Ary koa ho fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/).
06/13,2016
Ankizy Mitady Vola
Anisan'ny fampanantenana goavana nataon'ny filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimpianina ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazam-pirenena, saingy tsy hita taratra izany mandraka androany satria mbola marobe ireo ankizy tsy afaka mandia fianarana ka voatery mikarama amin'ny sehatra maro.
Ankizy miasa mitady vola amin'ny alalan'ny fanaovana tononkalo na hira ao anaty fiara fitateram-bahoaka no hoentina amintsika eto, mitety fiara iombonana izy ireo amin'izany ary etsy amin'ny Fasan'ny Karana, Anosipatrana no tena toerana misy azy ireo. Maromaro ireo ankizy manao ity asa hafakely ity saingy i Son kely no sendra nifanojo t@ko tamin'ity indray mitoraka ity raha nandeha fiara iombonana (bus 152) ny tenako.
Variana ny mpandeha izay sendra azy ireo voalohany, ary tsy misalasala manome izay foiny. Ireo efa zatra azy ireo kosa tsy taitra intsony satria voalaza fa tsy miova mihitsy ny tononkalo fiventson'izy ireo ary mitovitovy daholo. Lava ny tononkalo nataony, ary hita fa efa nianarana mialoha.
Tsy afaka nanadihady azy aho fa ny anarany ihany no hany afaka nanontaniako satria maika ery izy hiampita bus iray hafa indray mba hitady vola. Rehefa nanontany ilay mpanampin'ny saofera (resevera) aho dia nilaza izy fa mitovitovy tahaka izany daholo ny tononkalo sy ny hira ataon'ireo ankizy. Milaza momba ny zava-misy sy ny zavatra iainan'izy ireo. Ary tena mahazo vola izy ireo amin'izany.
Ity sarin'i Son Kely manao tononkalo, omena anao eto ambany ihany koa ny sombiny kely tamin'ny tononkalony:
Hafatra ho an'ny fivondrononana
Aza hoentina amin'ny fiavonavonana
Avelao ilay mpivarotra mba hitady
Tsy manan-karena fa mafy ady
Tsy menatra akory ilay ramose
Isan'andro isan'andro mitaky ticket
Ny paosy amin'izany mibotsina be
Hitan'ny olona hoe mi-zebra be
Tahiry indray no ankizy hoentina amintsika manaraka eto, mana-talenta kosa i Tahiry eo amin'ny sehatry ny fihiràna. Tsara feo tokoa izy hoy ireo mpandalo izay sendra maheno azy ka tsy misalasala manome vola izay foy ho azy. Mitady vola manerana an'iny Analakely iny no ataony isan'andro amin'ny alalan'ny fihiràna indrindra ny hiram-pivavahana.
Santionany tamin'ny hira sendra nandalovako teny Analakely ny hira "Andro fandalovana". Ankafizo ato anatin'ny lahatsary (ialàna tsiny fa mivadika ilay lahatsary :) ):
Ny ankizy miasa dia taratry ny fahantrana ka anisan'ny porofo mivaingana hanehoana ny fahantrana iainan'ny maro amin'ny Malagasy ny toe-javatra mampalahelo tahaka izao. Ankizy tokony mbola handeha hianatra nefa voatery na teren'ny ray aman-dreny hitady vola. Voazimbazimba ny zon'ny ankizy ary mila fiheverana.
Ao anatin'ny iray volan'ny ankizy ihany koa isika izao. Inona no azontsika atao amin'ireny ankizy sahirana ireny? Marobe ireo fikambanana mijoro tokony afaka manampy azy ireny. Ary indrindra ny fanjakana, izay tokony handray fepetra sy hametraka politika mahomby momba ny fiarovana sy ny fanatsarana ny tontolon'ny ankizy ary indrindra ny fanafoanana ny asan'ny ankizy tsy ampy taona.
Ankizy miasa | Hevitra (0) | Hametraka hevitra
08/13,2014
Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Tanora
Ankalazaiko amin’ny alalan’ny fanoratana ity lahatsoratra ity ny Andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora (12 Aogositra 2014), amin’ny maha-tanora reny ahy, ary indrindra ihany koa fa tanora no tena mandrafitra betsaka (atsasa-manila) ny mponina eto Madagasikara. Izay midika fa manana anjara toerana goavana ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Afaka manova zavatra eo anivon’ny fiarahamonina ny tanora amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra avy hatrany, saingy tsy ampy ny fanohanana azy ireo amin’ny lafin-javatra maro samihafa. Marihina ety am-piandohana fa ny lohahevitra amin’izao andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora izao dia « Ny tanora sy ny fahasalamana ara-tsaina » miaraka ny teny filamatra hoe “zava-dehibe ny fahasalamana ara-tsaina”.
Maro ny zavatra mampivarilavo ny tanora ankehitriny:
Maro ny tanora no variana amin’ny rendrarendra tafahoatra, ny filibàna, ny fisotroana toaka ary ny tena ratsy indrindra dia ny fidorohana zava-mahadomelina izay manimba tanora maro. Eo koa ny firosoana amin’ny fanaovana firaisana aloha loatra (14 taona) izay mitarika vohoka tsy niriana sy ny tahan’ny aretina SIDA. Tsy lazaina intsony ireo horonantsary mamoa-fady amin’ny aterineto, tsy ampy ny fandaharana sy ny fanentanana, fandrisihana ny tanora hitia fianarana, fandrosoana, fandraisana andraikitra. Ary eo indrindra ihany koa ny tsy fahitana asa na ny tsy fananan'asa…
Tompon’andraikitra avokoa isika rehetra:
Miainga amin’ny ray aman-dreny izay tokony haneho fihetsika mendrika sy tompon’andraikitra ao an-tokantrano, ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny. Eo koa ny mpanabe izay mandray anjara lehibe amin’ny fanabeazana ny tanora, hamafisina ny fitsipi-pipehezana ny tanora any an-tsekoly satria maro ny sekoly baranahiny amin’izao fotoana izao. Ary indrindra ihany koa ny fanjakana izay manana adidy lehibe amin'ny fampivoarana ny tanora.
Politika hoan'ny tanora:
Tokony hametraka politika mazava hoan'ny tanora ny fanjakana. Mila tohanan’ny fanjakana izy ireo amin’ny fanaovana maimaim-poana ny fianarana mba hanohizany hatramin’ny farany izany, ny fanomezana asa hoan'ny tanora, ny fampiroboroboana ny sekoly fianaran’asa, ny fampiroboroboana ny fananganan’ny tanora orinasa. Efa maro tokoa ny hetsika fifaninanana momba ny fananganana orinasa saingy mbola tsy ampy. Fananganana toeram-pitsaboana sy fanomezana toro-hevitra maimaim-poana (ara-pananahana, sns..) hoan’ny tanora. Ampitomboina ny fifaninanana amin’ny sehatra maro samihafa azon’ny tanora handraisana anjara (toy ny fanatanjahatena, kabary, lahatsoratra, sns tsy voatanisa mety handrisika ny tanora hikolokolo ny talentany sy hampiasa izany amin’ny fampandrosoana)
Tsy azo lavina fa manampy ny tanora ihany koa ny fandraisana anjara amina adihevitra na amin’ny aterineto izany na ivelan’ny aterineto. Ka tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa ny fahafahan’ny tanora hiditra aterineto mba hanovozan’izy ireo fahalalàna sy hanehoan’izy ireo hevitra an-kalalahana ary tokony hisy tompon’andraikitra politika hihaino ny hevitr’izy ireo fa tsy ampitahorina na rahonana amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka anaty aterineto (cybercriminalité).
Fandraisana andraikitra
Mila mandray an-tanana ny hoavintsika isika tanora, hibanjina ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka any aoriana. Ilaina ny miditra amin’ireny fikambanana sosialy, na mpanao asa soa ireny, izay efa miroborobo amin’izao fotoana izao. Mazoto amin’ny fanaovana adidy (ara-tsosialy, fiangonana,..). Hijoro hatrany eo anivon’ny fiarahamonina, tsy miandry ny hafa raha mahita zavatra iray tokony hamboarina na diovina, fa raisina avy hatrany ny andraikitra. Ohatra bitika iray : feno fako ny tokontany ao an-tanàna, mifampiandry anefa ny isan-tokantrano amin’ny fanadiovana izany, raha manana fotoana kely ianao tanora, raiso ny andraikitrao ary diovy izany
Mandalo tokoa ny fahatanorana ka araraoty dieny tanora isika, tsara fantarina ny zavatra tsara sy izay mahasoa mety hanampy antsika amin’ny fahombiazana eo amin’ny fiainana mba ahafahantsika manampy ny hafa sy hampandroso ny firenena ihany koa, mahay mitsinjo sy mitaratra sahady ny hoavy satria ny tanora tokoa hono no hoavin’ny firenena. Hoy ny ohabolana diso fantantsika hoe « tanora mamboly hazo, manan-kialofana rehefa lehibe », koa raiso ary ny andraikitra rehetra tandrify antsika mba hahatonga antsika ho olom-banona, olona matahotra an'Andriamanitra. Farany fa tsy ny kely indrindra dia ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra satria tsy afaka mandeha irery isika raha tsy manana Ray mpiahy hametrahana ny fiainantsika sy ny hoavintsika. Mirary soa antsika tanora amin’izay rehetra atao, aza kivy, fa mitsangana, mandrosoa hatrany, hoavy foana ny fotoana hinjinjantsika ny ezaka sy ny filofosana atao.
Mpitoriteny 11:9-10 “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina hianao amin’ izany rehetra izany. Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana. »
tanora | Hevitra (2) | Hametraka hevitra
10/04,2013
Tsy takatry ny saina ny fiasany
Fetin’ny reny tamin’ny herintaona aho no nanoratra farany tato ary tafaverina hitondra vaovao mahafaly eto indray hizara ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny fitantanany ny fianako nandritra izaho bevohoka, koa dia zaraiko eto izany ho fijoroako vavolombelona, araka ny voalaza ao amin’ny 2 Timoty 1:8 hoe: “Aza menatra ny ho vavolombelon 'ny Tompontsika … ».
Tamin’ny taona 2011, faly izahay raha nahafantatra fa bevohoka aho satria efa 8 taona ny zanako voalohany tamin’izay, izany hoe 8 taona taty aoriana indray vao hiteraka. Faly tokoa satria hitaiza indray. 1 volana ary ny kiboko, nahatsiaro marary eo amin’ny kiboko foana aho, tsy taitra anefa izahay satria nihevitra fa fomban’ny vehivavy bevohoka ilay marary ao amin’ny kibo. Mitohy foana anefa ilay marary ka tsy mandry ny saina ary nanontany ireo namana vao avy niteraka raha narary tahaka izany izy ireo ary dia navaliny fa marary tahaka izany mihitsy indrindra fa ela tsy niteraka, dia somary mandry indray ny saina. Nihà-marary ihany anefa ilay izy ary nanomboka nikoropaka izahay satria lasa mandringa mihitsy aho rehefa mandeha, 1 volana sy tapany tamin’izay, tsy niandry ela fa nandeha nanao “echo”, ka indrisy nilaza ny dokotera fa efa tsy mitombo intsony ilay “embryon” ka tsy maintsy esorina, nalahelo mafy izahay ary tsy natoky ka namonjy dokotera hafa manam-pahaizana manokana momba ny taovam-pananahana sy kibo (gynécologue), nasain’ity farany nanao analyse “ Béta-HCG (gonadotrophine chorionique)”aho, ary voamarina ny tsy fitomboan’ilay “embryon”. Tsy maintsy noesorina ary ilay izy na dia mafy aza . Andro maromaro vao afaka ny alahelo. Rehefa nozahana ny antony nahatonga izany dia nohon’ny fisian’ny aretina toxoplasmose, ka notsaboina tamin’ny alalan’ny “rovamycine” avy eo. Tsy kivy anefa fa nanantena mbola hahazo indray satria nilaza ny dokotera fa afaka 2 volana dia efa mahazo mametraka zazakely indray. Nanisa andro, volana ary izahay, nikasa mihitsy hoe apetraka amin’ity andro sy volana ity dia teraka amin’izao, sns…lasa ny herintaona, herintaona sy tapany saingy tsy nety mihitsy ….Fikasana tokoa ny an’olombelona fa Andriamanitra no mandahatra.
2 volana taorian’ny nanesorana ilay zaza dia nisy zavatra marary foana indray teo amin’ny kiboko, indrindra eo @ ankavanana, ka nandeha nanao “echo", nilaza anefa ny dokotera fa madio tsara ny tranon-jaza, tsy misy zavatra hafahafa, dia nilamina ny saina. Marary matetika anefa ilay izy dia niverina nanao “echo” indray, nilaza ny dokotera fa “ovaire” mivonto ka notsaboina tamin’ny alalan’ny fanafody maromaro. Kanefa mbola marary foana e!, nanao “echo” tany an-kafa indray dia milaza ny dokotera fa normal daholo, ilay izy anefa marary, sasatra nanao “echo”, nilaza ny mpitsabo fa “calcul” ka mila misotro rano matetika, tao ny dokotera nilaza fa mety kankana, notsaibona odi-kankana, fa tsy mety afaka foana ilay marary. Lany aiky aho ka misy indray ny manoro hevitra hoe miotra, rehefa niotra anefa mbola tsy afaka ihany. Ny hany sisa fanantenana dia ny ao ambony, nivavaka aho sy nanankina ny fiainako tamin’ny Tompo, satria Izy no mahalala izay mahasoa ahy .
8 taona niasàna taminà orinasa momba ny filokàna aho, efa ela aho no nikasa hiala tao amin’io orinasa io fa noho ny fahasahiranana sy ny tahotra tsy hahita asa dia niaritra ihany, satria somary tsara ihany ny karama no sady niadana koa satria miasa tapak’andro fotsiny (ny hariva @3 hatr@ 7ora) ary miasa 4 na 5 andro ao anatin’ny herinandro. Nahafahako nanohy ny fianarako sy nanao zavatra hafa maromaro mihitsy, noho ity aretina ity anefa dia lasa ny saiko hoe ankasitrahan’Andriamanitra ve ity asa ity?. Tapaka ary ny hevitra fa hiala @io asa io aho dia hitsabo tena ary nanaiky ny vadiko.
Teto no niseho ny voninahitr’Andriamanitra , niala tamin’ny asako aho ary natomboka t@ fakàn-drivotra tany Ambanivohitra ny fitsaboana tena, rehefa niala sasatra tany dia nitaingina bisikileta tsy nisy hisatra, ka nianjera nihosona t@ tany ka folaka ny tanana, nivonto ny handrina sy ny maso, mahagaga anefa fa hay ity izaho efa bevohoka t@io fa tsy nahafantatra na inona na inona satria nihevitra fa mbola tsy nipetraka foana, ny vadiko niteny ahy hoe raha bevohoka moa ianao dia ahoana?, rehefa nandeha teny tokoa ny andro dia tsy niverina ny fadim-bolana, rehefa nanao “test” dia akory ny hafaliana fa positive, izany hoe bevohoka aho, dia gaga izahay hoe vao niala ny asako aho tonga dia bevohoka, ary na dia nianjera be tamin'ny bisikileta aza tsy naninona, nihevitra ary nino avy hatrany aho fa valisoa avy amin'ny Tompo izany satria nahafoy aho ary nomeny lavitra tsy araka ny noeritreretiko. Faly sahirana ary izahay satria raha saika mbola hitsabo tena, kanjo bevohoka, avy hatrany dia nanatona dokotera ary nasaina nanao analyse hijerena raha efa afaka tsara ilay toxoplasmose nahatonga ilay vohoka tsy nety teo aloha, akory ny fahatairana raha naharay ny valin’ny analyse satria mbola positive ihany ilay “toxo”, ka nasaina notsaboina fanafody “rovamycine” indray, nitebiteby fatratra tsy nisy toy izany nefa nana-pinoana ihany aho fa valisoa avy amin’Andriamanitra ity zaza ity ka tsy tokony ho taitra fa mivavaka foana, nanantona ilay gynécologue voalaza etsy ambony izahay ary nilaza izy fa tsy misy atahorana satria efa “ancienne ilay toxoplasmose” ary najanona ny fihinanana ilay fanafody.
Tao anatin’izany koa anefa, 1 volana ny kiboko, naharay “fampiatsoana” avy amin’ny tribonaly (ady madio) aho ka somary taitra, nefa tsy naninona. Nivezivezy teny amin’ny tribonaly ny tenako sy ny kiboko nandritra ny fotoana nitondrako vohoka. Mandritra izany anefa, mbola reko marary matetika ilay eo amin’ny kiboko ka indraindray lasa ny saina hoe tsy ho tàna mihitsy ity zaza ity raha izany marary izany fa noentiko ambavaka teny foana.
Raha tsorina ny fotoana nitondrako vohoka dia niaina tao anatin’ny tebiteby, fitaintainana, nefa noho ny herim-bavaka ary indrindra indrindra noho ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy takatry ny saintsika, dia teraka soa aman-tsara aho efa tamin'ny volana mey, salama tsara ny zaza, ary tsy dia reko firy intsony ilay marary. Izao vao malalaka afaka nanoratra satria mbola sahirana tamin'ny fitaizana .
Fivavahana | Hevitra (2) | Hametraka hevitra
08/26,2012
Andraso eo Paoly!
Dia ireny niaraha-nahita ireny ny tohin’ny famahana ny krizy izay iantsorohan’ny SADC, samy tsindrin-daona tokoa ny tsirairay niandry izay ho voasazy amin’izy roa lahy (Ravalomnana Marc – Rajoelina Andry) taorian’ilay fivoriana an-tampony faha 32 an’ireo filoham-panjakana ao amin’ny SADC farany teo tany Maputo, tsy nisy anefa ny sazy nilatsaka fa ny fanohizana ny fitadiavam-bahaolana no atao, dia ny fanarahana antsakany sy andavany ny tondro-zotra, izay vao tapa-kevitra hanatanteraka sy hanaja ny tondro-zotra, herintaona taoriana ny fanaovan-tsonia? Ary ilay tondro-zotra tsy tonga dia hoe hampiharina dieny izao fa mbola misy fepetra, satria mbola hodinihan’ny Troika miaraka amin’ny Tafika sy ny fitondrana tetezamita ny fotoana tokony higadonan’ny filoha eto Dago ho fampiharana ny andininy faha-20 diso fantatra ao amin’ny tondro-zotra, ka raha tsy misy ny korontana dia tokony ho tafaverina ao anatin’ny 30 na 60 andro (1 na 2 volana) hono Ravalomanana. Miandry an’i Paoly i Ravalomanana raha izay no antenainy.
Araka ny efa nosoratako, fotoana very maina sy fandrebirebena ary fika fotsiny izany hoe mbola haniraka delegasionina hifandinika amin’ny foloalindahy sy ny hery velona eto amin’ny tany sy fanjakana izany, efa hita ny toe-tsain’ny miaramila [ireo lehibe] fa tsy mankasitraka velively ny fiverenan’ny filoha teo aloha an-tanindrazana satria mety hanohintohina ny tombotsoan’ny sasany. Efa mazava be rahateo ihany koa ny hevitry Rajoelina Andry, ary tsy hiova amin’ny heviny mihitsy izy raha izao fandehan-draharaha politika izao no jerena, tena mafy ange ny fatahoran’ny filohan’ny tetezamita sy ny mpanara-dia azy an’ingahy Ravalomanana Marc e! Vao maika nitombo be izany tahotra izany taorian'ny nahalany an-dRavalomanana ho filoha mpanampy eo anivon'ny FJKM.
Tsy nilaza ny marina izay tena tapaka ny SADC taorian’io fihaonambe io, tahak’izay foana moa hatramin’ny fiandohan’ny fihaonana (face à face) nisy teo amin’izy roa lahy ny fanambaran’ny sadc, somary mifanipaka amin’ny zavatra hita, tsy mazava, maloka tanteraka. Tsy sahy milaza izay tena zava-nitranga izy ireo, matahotra ny hahazo tsikera noho ny tsy fahombiazan’ny fanelanelanana ataony ve? Sarotra anefa ny hanome tsiny azy ireo, saro-toerana ny sadc satria tsy manan-jo hibaiko (imposer) fa voafetra amin’ny fampandrosoana vahaolana (proposition) ihany no azony atao. Tokony hampiseho mazava fotsiny anefa izy fa tsy miandany amin’ny fanelanelanana ataony, ny fanambarany miovaova sy tsy mazava ataony no mahatonga ny olona hitsara azy ireo ho manana firehana.
Dia ho hita indray izay ho tohin’ny tantara raha ho tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aoriana ny 2 volana na tsia? Endraso eo Paoly raha avelan’i Rajoelina hody eo izany Ravalomanana. Mety mbola hamorona fanohizana dinika vaovao indray izy? Dia hitarazako eto foana ny famahana ny krizy. Vahaolana firy izay no nampiasana, nolazaina fa ity no tena farany (dernière chance) fa mbola tsy hita ihany izay mangirana.
Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra
08/15,2012
Inona ny vahaolana?
Asa re! hanao ahoana ity Madagasikara malalantsika ity, iza loatra no mahatonga ny firenentsika latsaka an-katerena sy anaty kizo tahaka izao? Nefa dia firenema manankarena sy afaka mandroso tanteraka ny firenentsika. Maro ny vahaolana naroso noentina namahana ny krizy fa nandamoka avokoa. Mety ho vahaolana mahomby sy maharitra ary ve izay fanapahan-kevitra farany ho raisin’ny SADC aorian’ny fihaonamben’izy ireo any Maputo? Maro ny mihevitra fa tsy handravona ny olana misy ny fanomezana sazy na ny andaniny na ny ankilany izay lazaina fa sakana tsy hirosoana amin’ny vahaolana.
Koa inona ary ny vahaolana farany? Aiza ary any amin’iza ny fanalahidin’ny vahaolana? Tsotra sy haingana ihany anefa ny vahaolana raha tena tao anatin’ireo mpifanandrina nahatonga ny krizy izany atao hoe tena fitiavan-tanindrazana izany, tsy mila nandany vola be sy andro akory, tsy nila an’izany SADC izany koa, fa raha tena tia tanindrazana marina izy ireo dia tsy nihambahamba nanome toerana sy lanja ny Soatoavina Malagasy, dia ny FIHAVANANA, ny FIFANDEFERANA tokony samy hiaiky fa samy diso ka ny hahasoa ny firenena sy ny vahoaka ao aminy amin’izay no hobanjinina. Koa aok’izay ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka noho ny fitiavan-tena sy hambom-po diso toerana. Matahora ny ao ambony, matahora ny tody, fandalovana ny ety an-tany ka tsy aleo ve mifamela ho tombotsoa ambonin’ny firenena.
Ka raha hifamela ary izy ireo, ary samy hirotsaka hofidiana, hitondra vahaolana maharitra marina ve? Ao ireo milaza fa vahaolana tsotra ny tsy firotsahan’izy ireo hofidiana. Tadidio anefa fa zony feno ny hirotsaka hofidiana, ary tsy azo sakanana amin’izany izy ireo. Safidim-bahoaka io ka izay mamim-bahoaka sy hitokisany ihany? Ka aleo hirotsaka izy roa lahy fa aza raràna. Afaka tsy mifidy azy ireo milaza ny tsy tokony hirotsahany, sady raha tsy hilatsaka hofidiana izy ireo. Iza no mety mahasolo tena azy ary iza no hiantefan’ny safim-bahoaka? Roland Ratsiraka ve? Sa Pierrot Rajaonarivelo? Sa Pasitera Mayol? sns. An’ny tsirairay ny safidy.
NEFA hanao ahoana ny aoriana ny fifidianana raha lany ny iray amin’izy roa lahy? Any ampelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny baolina amin’izay, izy ireo no tompon’ny basy, afaka hametraka ny filaminana sy hanafay ireo izay tsy mahazaka resy ka minia mbola hanakorontana indray aorian’ny fifidianana, RAHA tena fifidianana madio, mangaraharaha, nialohavan’ny fitoniana ara-politika sy ny fampihavanam-pirenena, fifidianana niarahan’ny rehetra nikarakara, eken’ny rehetra, eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena marina no natao. Asa re! hanao ahoana ny fihetsiky ny miaramila? mbola hiray tsikombakomba amin’ny olom-bitsy ihany ve ka hanongam-panjakana sa hipetraka amin’ny maha-tandroka aron’ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena amin’izay aorian’izay ho fifidianana? Azy ireo ny basy ka azy ny fahefana hoy ilay olona izay. Rehefa hendry ireo miaramila ka manatontosa ny asany amin’ny antsakany sy andavany, milamina ny firenena. Tsy nisy izao krizy izao raha nanaja ny hasiny sy ny lanjany ny miaramila ka tsy nanampy an-dRajoelina handrombaka ankeriny ny fahefana, izao sisa no vokany. Any aminareo mpitandro ny filaminana indrindra ihany koa no tena misy ny vahaolana.