Vetsovetson'i Mamisoa
Ity bilaogy ity dia natao ho fanandratana sy ho fitehirizina ny teny Malagasy ary koa ho fampahafantarana ny kolontsaina Malagasy. Ato no hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza, izany rehetra izany dia amin'ny teny vMalagasy madiodio. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia hivelaran'ny teny Malagasy sy hanehoana ny maha-kanto azy. Ary koa ho fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/).
07/29,2021
HANOMPO ANAO
Raha izao fiainanay izao
Tsinotsinona raha tsy eo Ianao
Jesoa Tompo be fitia
Hanompo Anao izahay tsy hania
Raha ory izahay
Ianao irery no avotray
Jesoa malala Kristy
Hanompo Anao ny andronay sisa aty
Raha feno fifaliana
Dia noho ny fitahiana
Avy aminao Jesoa zoky
Hanompo Anao sy hatoky
Hanompo Anao hatrany hatrany
Ny fiainanay rehetra ety an-tany
Na fifaliana fa fijaliana
Jesoa irery ihany no itokiana
Hanompo Anao foana foana
Raha mbola toloranao fotoana
Raha sendra olana maro samihafa
Hanompo Anao foana tsy hihafahafa
Raveloaritiana Mamisoa (mammysou) Jolay 2021
Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra
07/17,2019
#AlefaBarea #MisaotraBarea #Tononkalo
- Nampientanentana ianao Barea
- Tsy nampitombona ka nampanoratra ahy
- Nampihetsi-po ny vahoaka tsy vaky volo
- Nampikorana ny Malagasy manontolo
- Noresenao ny ekipan'i Ginea
- Dibo-kafaliana izay nahita sy nandre
- Fa nandresy ny ekipam-pirenena
- Nihorakoraka ny vahoaka sesehena
- Tsy nanaiky ho resin'i Borondi
- Tena lalao mahafinaritra marina izy ity
- Satria Barea nanao izay ho afany
- Mba ho reharehan’ny tanindrazany
- Resinao koa ny ekipan'i Nizeria
- Tsy hay resena oa ny ekipa Barea
- Fa mbola nibata izato fandresena
- Nihikam-pifaliana izato firenena
- Nahintsanao ny ekipa Kongoley Leopard
- T@ « tirs-au-but » tena raitra tsara
- Tafakatra am-pahaefa-dalana no niafara
- Kihon-dalana iray hipetraka ho tantara
- Na resin'i Tonizia aza anefa
- Tsy kivy isika e, satria efa nahavita be sy nahahefa
- Nahefa adidy lehibe makadiry
- Antenaina mbola ho maro ny fanantenana hitsiry
- Misaotra Barea, Alefa Barea
- Miara-mirona na vehivavy na lehilahy
- Amin'ny manaraka indray manao misimisy
- Hampiditra baolina maro fa tsy vitsivitsy
- Henin-kaja amam-boninahitra
- Ny Barea, mpilalao fitaratra
- Nitondra avo sy laza tsara
- Ho an’ny firenena malalantsika, Madagasikara
Tononkalo , Fanatanjahantena , Firenena , Malagasy | Hevitra (6) | Hametraka hevitra
11/30,2016
Elaela
Elaela izy no tsy hita
Tsy maintsy mbola namita
Lamin'asa mafy kokoa
Novitaina tamin-kitsim-po
Elaela izy no tsy tazana
Mbola eto an-ta nidrazana
Fa tsy hoe lasa aiza akory
Na hoe sondriana matory
Niketrika tanjona iray
Somary nandaniana fotoana
Novitaina hahazoana indray
Fahafaham-po mandavataona.
Ny olona iray rehefa tsy hita
Mety misy ny zava-manahirana
Na koa miketrika ny haha-tafita
Tigetra iray nimasoana sy nifikirana
RAVELOARITIANA Mamisoa (@mammysou)
Oktobra 2016
Tononkalo | Hevitra (1) | Hametraka hevitra
10/26,2016
Atsaharo ny fitsaratsaram-poana
Ny olona tsy mba miramirana
Mety misedra zava-manahirana
Ka aiza maika ny hitsaratsara
Hamoron-dainga, hamorona tantara
Ny olona somary varimbariana
Mety manana olana, miasa saina
Fa aiza maika amin'ny fanaratsiana
Hoe miavona tsy mba ilaina.
Ny olona tsy mba hitahita
Mety miketrika zavatra tiany ho tafita
Fa tsy hoe akory lasa nitsoaka
Fa matahotra hiseho vahoaka.
Atsaharo ny fitsaratsaram-poana
Raha tsy mahafantatra izay eo anoloana.
Ny fiainanao mba manao ahoana?
Toa ny an'ny hafa no resahana foana
Atsaharo ny resaka an-jorony
Raha tsy mahalala izay eny ifotony
Mivavaka ho azy no tsara indrindra
Manampy amin'ny fahaizana mamindra
Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)
Oktobra 2016
Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra
10/08,2016
Aza avela aho handany fotoana
Tompo ô! aza avela aho handany fotoana
Amin'ny zava-dratsy sy ny zava-poana
Fa hizara izay mahasoa sy mampandroso
Mba hahatonga anay tsy hikoroso.
Ampahafantaro ahy izay tokony atao
Sao aho variana na manadino anao
Ampio aho hahavita ireo adidy samihafa
Hahay hanolo tanana fa tsy mihafahafa.
Meteza Ianao hitantana sy hiaro
Ahafahako mamita ireo andraikitra maro
Mangataka aho mba ho tomady hatrany
Sy hampihatra ny didinao ety an-tany
Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)
Septambra 2016