Vetsovetson'i Mamisoa

Ity bilaogy ity dia natao ho fanandratana sy ho fitehirizina ny teny Malagasy ary koa ho fampahafantarana ny kolontsaina Malagasy. Ato no hitantarako sy hizarako izay hitako sy tsapako. Tantaraiko ato avokoa izay rehetra mahafinaritra ahy, manitikitika ahy, eny fa na ny masosotra koa aza, izany rehetra izany dia amin'ny teny vMalagasy madiodio. Ahitana sokajy samihafa ny lahatsoratra (Tononkalo, politika, fiaraha-monina...) Ny tanjona dia hivelaran'ny teny Malagasy sy hanehoana ny maha-kanto azy. Ary koa ho fifampitaizana amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mba ahitana izay mahasoa ho fivelaran-tsaina sy ho fampandrosoana. Mirary antsika hazoto hamaky ary haneho hevitra ihany koa raha ilaina.Ny bilaogiko amin'ny teny frantsay sy teny anglisy (http://mammysou.blogspot.com/).

02/17,2022

Tsingeritaona

"Joyeux anniversaire" i Neny Chérie

Hoy ireto sombiniako vao maraina faly ery

Narahina oroka tsy manam-paharoa

Oroka lafatra miloaka avy ao am-po

 

Hanao fety sy hihinana “gâteau” ve izany?

Hoy izy ireo henim-pifaliana nanontany.

Mianatra aloha hoy aho fa rahariva mifety

Mikorana kely manao izay metimety.  

 

Hafa raha samihafa ny andro androany

Satria tsingerintaonako tena mamy

Nitombo iray indray ny taona

Noho ny fitahian’ny Tompo foana

 

Mangataka Aminao hatrany

Mba ho lava andro eto an-tany

Izany no vavaka mby ato an-tsaina

Raha sitrakao Jesoa Tompon’ny aina.

 

Tolory ny fahasalamana indrindra

Ahafahako mamita sy mandrindra

Ireo adidy tianao hanirahana ahy

Hatanjaho Tompo ô! ny tena sy fanahy

 

Ka tontosaiko amin-kafaliam-po

Ireo adidy mba hitera-boka-tsoa

Hotanterahiko am-panetren-tena

Ireo andraikitra hitondra fandresena

 

Ireo teny mamy sy firarian-tsoa

Inoako fa tena vokatry ny fo

Atolotro anareo ny sitraka sy telina

Amin’ny alalan’ity diam-penina.

 

Ny Tompo hamaly fitia, hanome ny tsara

Hamaly izay faniriana, tsy hilaoza mananjara

Mirary tontolo andro hombam-pitahiana

Ho antsika rehetra namana, fianakaviana

 

Ankapobeny | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/29,2021

HANOMPO ANAO

Raha izao fiainanay izao

Tsinotsinona raha tsy eo Ianao

Jesoa Tompo be fitia

Hanompo Anao izahay tsy hania

 

Raha ory izahay

Ianao irery no avotray

Jesoa malala Kristy

Hanompo Anao ny andronay sisa aty

 

Raha feno fifaliana

Dia noho ny fitahiana

Avy aminao Jesoa zoky

Hanompo Anao sy hatoky

 

Hanompo Anao hatrany hatrany

Ny fiainanay rehetra ety an-tany

Na fifaliana fa fijaliana

Jesoa irery ihany no itokiana

 

Hanompo Anao foana foana

Raha mbola toloranao fotoana

Raha sendra olana maro samihafa

Hanompo Anao foana tsy hihafahafa

 

Raveloaritiana Mamisoa (mammysou) Jolay 2021

 

 

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/22,2020

Mahafinaritra ny maro anaka

Faly indray tafaverina eto raha t@ herintaona no nanoratra tononkalo farany. Tsy hita moa izy ity fa sahirana amin'ny fitaizana sy ny fitadiavana dia tsy dia nanam-potoana loatra nitodihana tato amin'ny bilaogy. Ankehitriny efa azo lazaina tsy dia taiza be intsony ny faravavy dia mba afaka manararaotra manoratra sy miverina amin'ny fanoratana tononkalo, bilaogy sy ny sisa hafa, na dia voahelingelina kely ihany aza indraindray. 

Amin'izao vanin'andro ianantsika izao dia tsy dia fahita firy intsony izany hoe mpivady miteraka betsaka izany, tsy tahaka ny andro fahiny izay toa miteraka maro ny mpivady. Matetika ireo tsy nandia fianarana na ireo 4-mi no tena lazaina fa manao tera-bitro tsy mahay momba ny fanabeazana aizana rehefa maro ny zanany. Tsy hay aloha fa samy manana ny fijeriny sy fiheviny ny tsirairay. 

Ho an'ny ankamaroan'ny mpivady, dia zaza 1 na 2 dia efa ampy, raha mihoatra ny 3 dia efa betsaka. Safidin'ny mpivady izay ho ataony ho isan-janany ka na firy na firy no eo, inona moa no hidirako? Sa ahoana :) Samy manana ny safidiny sy ny lalana efa nomanin'Andriamanitra ny tsirairay. Izahay mivady izao nikasa hanan-janaka 3 fa mbola niampy 2. Ekena sy ankasitrahana izay nomen-Janahary.

Fa tsy mora tokoa izany hoe niteraka in-4 nisesy, 2 taona avy ny elanelana ary 1 taona ny elanelana amin'ireo faravavy sy faralahy, ny vavimatoa moa efa lehibe fa ireo zandriny 4 no mbola kely daholo. Saingy mirehareha aho nahavita an'izay dingana izay na dia tsy maintsy hoe reraka ihany aza ary misy fiantrakany amin'ny fahasalamana. Tsy lavina tokoa fa tsy mora ny mitaiza ankizy mihoatra ny 1, zaza iray aza moa efa manahirana koa maika fa 5 be izao. Fa vita foana io ee, lehibe foana ireo ee, hoy ny sasany. 

Fa izaho manokana dia mahatsiaro feno fitahiana manan-janaka 5 ary tena faly sy tiako be indrindra rehefa mahita azy ireo miara-milalao. Lasa ny saiko indraindray hoe, tsy nampoiziko hanan-janaka 5 tahaka izao aho, mahafinaritra ery izy ireo. Izy ireo no tena anisan'ny antony hiasanao mafy sy hikelezanao aina. Tena korana be foana ato an-trano amin'ny tabataban'izy ireo, tsy lazaina intsony ny korontana eran'ny trano, ny filalaovana vovoka any an-tokontany, sns. Fa tsy maintsy zakaina ny tabataba sy ny korontana ataon'ny ankizy raha tsy te harary sy ho antitra vetivety isika ray aman-dreny. Ampianarina fotsiny izy ireo hampirina rehefa avy manakorontana. 

Mamenoa ny tany hoy ny voalazan'ny baiboly, fahasoavana daholo izany ee, ny tsy manana aza efa tsy fidiny, sambatra be indry rehefa lehibe ireo ee, harena be ny zanaka ee, sns. Ohatra amin'ireo teny fampaherezana azo avy amin'ny olona mahita anao manan-janaka betsaka. Ary tsy lavina fa marina avokoa ireo ary enga anie mba ho toy izany mihitsy ee.

Mirary soa ho anao mpamaky manokana maniry hanan-janaka mba hotanterahan'Andriamanitra ny fikasanao. Mirary soa ho antsika ray aman-dreny rehetra fa tsy mora ny mitaiza indrindra raha te hanana izany hoe zanaka ho tafita, ho olom-banona sy olona matahotra an'Andriamanitra izany.

Mirary soa.

 

 

 

 

Ankapobeny | Hevitra (1) | Hametraka hevitra

07/17,2019

#AlefaBarea #MisaotraBarea #Tononkalo

Faly miarahaba ee! Ela dia ela tokoa no tsy nanoratra, efa ho 3 taona latsaka raha tamin'ny 30 Novambra 2016 no nanoratra farany. Koa tononkalo nentanin'ny zava-bitan'ny ekipam-pirenentsika Barean'i Madagasikara no hanombohako ny asa soratra ho amin'ity taona 2019 ity. Antenaiko mba havitrika amin'izay ny tenako :) . Mirary tontolo andro mahafinaritra! 
  • Nampientanentana ianao Barea
  • Tsy nampitombona ka nampanoratra ahy
  • Nampihetsi-po ny vahoaka tsy vaky volo
  • Nampikorana ny Malagasy manontolo
  • Noresenao ny ekipan'i Ginea
  • Dibo-kafaliana izay nahita sy nandre
  • Fa nandresy ny ekipam-pirenena
  • Nihorakoraka ny vahoaka sesehena
  • Tsy nanaiky ho resin'i Borondi
  • Tena lalao mahafinaritra marina izy ity
  • Satria  Barea nanao izay ho afany
  • Mba ho reharehan’ny tanindrazany 
  • Resinao koa ny ekipan'i Nizeria
  • Tsy hay resena oa ny ekipa Barea
  • Fa mbola nibata izato fandresena
  • Nihikam-pifaliana izato firenena
  •  
  • Nahintsanao ny ekipa Kongoley Leopard
  • T@ « tirs-au-but » tena raitra tsara
  • Tafakatra am-pahaefa-dalana no niafara
  • Kihon-dalana iray hipetraka ho tantara
  • Na resin'i Tonizia aza anefa
  • Tsy kivy isika e, satria efa nahavita be sy nahahefa
  • Nahefa  adidy lehibe makadiry
  • Antenaina mbola ho maro ny fanantenana hitsiry
  • Misaotra Barea, Alefa Barea
  • Miara-mirona na vehivavy na lehilahy
  • Amin'ny manaraka indray manao misimisy
  • Hampiditra baolina maro fa tsy  vitsivitsy

 

  • Henin-kaja amam-boninahitra
  • Ny Barea, mpilalao fitaratra
  • Nitondra avo sy laza tsara
  • Ho an’ny firenena malalantsika, Madagasikara

 

 

Tononkalo , Fanatanjahantena , Firenena , Malagasy | Hevitra (6) | Hametraka hevitra

11/30,2016

Elaela


Elaela izy no tsy hita
Tsy maintsy mbola namita
Lamin'asa mafy kokoa
Novitaina tamin-kitsim-po

Elaela izy no tsy tazana
Mbola eto an-ta nidrazana
Fa tsy hoe lasa aiza akory
Na hoe sondriana matory

Niketrika tanjona iray
Somary nandaniana fotoana
Novitaina hahazoana indray
Fahafaham-po mandavataona.

Ny olona iray rehefa tsy hita
Mety misy ny zava-manahirana
Na koa miketrika ny haha-tafita
Tigetra iray nimasoana sy nifikirana

RAVELOARITIANA Mamisoa (@mammysou)
Oktobra 2016

 

Tononkalo | Hevitra (1) | Hametraka hevitra

10/26,2016

Atsaharo ny fitsaratsaram-poana

Ny olona tsy mba miramirana
Mety misedra zava-manahirana
Ka aiza maika ny hitsaratsara
Hamoron-dainga, hamorona tantara

Ny olona somary varimbariana
Mety manana olana, miasa saina
Fa aiza maika amin'ny fanaratsiana
Hoe miavona tsy mba ilaina.

Ny olona tsy mba hitahita
Mety miketrika zavatra tiany ho tafita
Fa tsy hoe akory lasa nitsoaka
Fa matahotra hiseho vahoaka.

Atsaharo ny fitsaratsaram-poana
Raha tsy mahafantatra izay eo anoloana.
Ny fiainanao mba manao ahoana?
Toa ny an'ny hafa no resahana foana

Atsaharo ny resaka an-jorony
Raha tsy mahalala izay eny ifotony
Mivavaka ho azy no tsara indrindra
Manampy amin'ny fahaizana mamindra

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)
Oktobra 2016

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

10/08,2016

Aza avela aho handany fotoana

Tompo ô! aza avela aho handany fotoana
Amin'ny zava-dratsy sy ny zava-poana
Fa hizara izay mahasoa sy mampandroso
Mba hahatonga anay tsy hikoroso.

Ampahafantaro ahy izay tokony atao
Sao aho variana na manadino anao
Ampio aho hahavita ireo adidy samihafa
Hahay hanolo tanana fa tsy mihafahafa.

Meteza Ianao hitantana sy hiaro
Ahafahako mamita ireo andraikitra maro
Mangataka aho mba ho tomady hatrany
Sy hampihatra ny didinao ety an-tany

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)
Septambra 2016

Tononkalo | Hevitra (1) | Hametraka hevitra

10/03,2016

Tononkalo: Ao ireo misakafo hanim-pito loha

Ao ireo misakafo hanim-pito loha
Mihinana izay tiana, ary tena afa-po
Ao kosa ireo mitrongy vao homana
Ny hohanina isan'andro, tsy maintsy hitolomana.

Ao ireo migalabona, matory fa voky ery
Rehefa avy nihinana matsiro sady nankafy.
Ao kosa ireo tsy mba misy harapaka
Fa mirenireny, mitady sy mangataka

Ny mampahonena dia ireto kilonga
Zara raha misakafo, tsy mety dongadonga
Mitsimpona fako, mandraoka izay latsaka
Ny ray aman-dreniny, tsy hita hikarataka.

Raveloaritiana Mamisoa Isabelle (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

09/28,2016

Mahavariana ilay Kalakely

Tena mahavariana ilay Kalakely
Izy aloha manja manambaka Anjely
Izay lehilahy rehetra maniry hiaraka aminy
Tsy misy azoazony fa tonga dia kianiny.

Lehilahy tsotra, somary lavalava
Tsy nankasitrahany fa hoe maimbo vava
Lehilahy ranjanana, sady tena hendry
Tsy tiany fa hoe lava tongotra, tia mikarenjy

Tovolahy matotra, nangataka nomerao telefonina
Tsy misy ilavana azy hono fa maimbo "from"
Tovolahy iray tena "bogosy"
Nadabony koa fa hoe tsy ampy "saosy".

Lehilahy iray tena manankarena
Tsy ankafiziny koa, fa hoe tsy mahava-tena
Lehilahy iray tena malaza
Lazainy fa momba, tsy mahazo zaza

Zazalahy vonona ny haka vady
Heveriny fa hoe tia adiady
Zazalahy iray bokon'ozatra sady bota
Nahiliny fa hoe mahery setra, tia sotasota

Lehilahy manao ahoana no tena mba tiany
Hay vazaha boramena no tena faniriany
Tiany daholo rehefa vazaha
Na tanora, na lehibe na anti-dahy

Izay no safidiny, tsy omena tsiny
Satria ny olona rehetra samy manana ny tiany.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)
Septambra 2016

Tononkalo | Hevitra (1) | Hametraka hevitra

09/27,2016

Tononkalo: Anadahy

Anadahy mifampizara ny manta sy masaka
Rehefa iny izahay ka sendra tafaraka
Mifanohana raha sendra vaky fo
Satria izany no maha mpiray tampò.

Anadahy mahafinaritra indrindra,
Tohizo hatrany ny fahaizana mamindra
Ifikiro ny tsara, fidio ny marina
Aza miala amin'ny Tompo mba ho tafarina.


Anadahy filamatry ny fianakaviana
Mitondra tsiky sy hafaliana
Milofo hitondra izay mahasoa
Reharehan-dray aman-dreny tokoa.

 

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

09/18,2016

Tononkalo: Asa raha mba tsaroanao

Asa raha mba tsaroanao
Fa ny ety amin'izao tontolo izao
Dia fandalovana fotsiny ihany
Ka mba saino sy tsarovy hatrany

Koa araraoty dieny izao
Mba tsy hanenenanao
Ny soa no ataovy be dia be
Dia ho sambatra kokoa ise

Tsinjovy ny any aoriana
Ny zava-tsoa no atao faniriana
Ampanjakao ny fanaovana ny tsara
Mba ho tsara fiafara

Raha mbola ny ety an-tany
Tsy hilazaon-tsento sy tomany
Fa rehefa any an-danitra any
Fiadanana hatrany hatrany

Mba handovàna fiainana mandrakizay
Ny fahotàna, avelao amin'izay
Ka rehefa any am-parany any
Handova paradisa tsy mety lany.

RAVELOARITIANA Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

09/17,2016

Tiako ny Tononkalo

Tena tiako ny tononkalo
Sanatria tsy ho fahavalo.
Fa tena namana akaiky ahy.
Manentana ny saina, fanahy.

Tononkalo mandala ny haisoratra.
Manosika ahy hanoratsoratra.
Namako na aiza na aiza aleha.
Fialam-boly toa rehareha.

Tononkalo miady rima
Tena kanto, sady mahaliana.
Manasongadina ny teny gasy
Tsy azo avela hangasihasy.

Tononkalo mifono anatranatra
Asa soratra enti-mampahafantatra.
Ventsovetso ahitana zava-tsoa.
Sy teny Gasy, tsy manam-paharoa.

Tononkalon' ny fahatsaràna.
Asa soratra mahatamàna.
Tononkalo hokalokaloina.
Tsy lotoina fa hokolokoloina.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Aogositra 2016

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

09/15,2016

Tononkalo: Noraisiko


 

Nekeko tamim-piravoana
Ianao te hanorim-pitia amiko
Noraisiko an-kilatoana
Satria ianao koa tena mamiko.


Noraisiko tamim-pifaliana
Ianao te hihavana
Nekeko tamim-pitsikiana
Ilay fitoriam-pitiavana

Noraisiko tamim-panantenana
Ilay fo nitempo ho ahy
Nosokafako midanadàna
Ny foko ho anao silam-panahy

Noraisiko tamim-pienatam-po
Ilay fanoloram-pitia
Satria isika roa
Natao hiara-dia ho doria

RAVELOARITIANA Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

09/11,2016

Ianao Irery


Raha izaho indray aloha
Hanompo Anao Ray Tsitoha
Satria Ianao Irery ihany
No mahery eto an-tany

Na dia eo ny fahoriana
Ny tebiteby sy ny ahiahy
Ianao Irery no fitahiana
Tsy hanan-tahotra ny fo sy fanahy

Ny olana rehetra sedraina
Mila haningotra ny aina
Ianao Irery no mahay
Ny hevitra hiheverana anay

Ny fiainako sisa rehetra
Izay fantatro fa manam-petra
Ianao Irery no tompon'izany
Ny fitiavanao tsy hita lany

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

09/06,2016

Mahay mifankatia


Iriako indrindra isika mianakavy.
Ho salama hatrany miatrika ny hoavy
Miramirana, hendratrendratra miriaria
Miara monina, mahay mifankatia

Mifanaja, mifanohana, mifampitaiza
Isika rehetra na aiza na aiza
Izany no ahafantarana fa mpianatr'i Kristy
Ny olona rehetra mahay mifankatia

Iriako ihany koa hitohy ny finamanana
Tsy miavonavona na koa mialangalana
Mahay mifanavotra raha sendra very dia
Ny mpinamana rehetra, mahay mifankatia

RAVELOARITIANA Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

09/03,2016

Tononkalo: DELESTAZY


Miverimberina eny foana ny delestazy
Ny vahoaka Malagasy moa efa zatra azy
Voambolana malaza eto Gasikara
Izay tsy maharaka an'izany dia tena tara.

Tsy misy ny orana e, tsy ampy ny solika
Sa ny Jirama mihitsy no efa potika
Antitra ny fitaovana e, olana ara-teknika
Sa ny Jirama mihitsy no be fikafika?

Rehefa tsy tafarina intsony fa tena ankina
Dia "privatiseo", hotantanin'ny tsy miankina
Fa tena mankaleo loatra ilay delestazy
Mahatonga anay tsy miasa fa manala azy

Delestazy amin'ny hariva tena mampanahy
Satria mampirongatra ny asan-jiolahy
Raha ny fanjakana no andrasana eo
Tsy raharahiany isika na dia efa mampiaka-peo

Miaina anaty aizina, isan'andro vaky izao
Tsy mba misy vahaolana, fa hoe zakao
Mahita ny vahoaka tsy miteny
Tohizana foana ny delestazy lavareny

Manohintohina ny asa, manimba zavatra
Ny vahoaka anefa efa rempotra sy sasatra
Ny tolotra ratsy, ny faktiora midangana
Mandoa volabe isam-bolana anie ka mazana.

Ampiakarina foana ny vidin-jiro sy rano
Ny hitsinjo ny vahoaka toa angano angano
Volabe tsy toko tsy forohana ao amin'ny fitondràna
Tsy mba misy azo ampiasaina, hoentina hamahàna?

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Septembre 2016

Tononkalo , Sosialy , Fiarahamonina , Toekarena | Hevitra (4) | Hametraka hevitra

08/27,2016

Tononkalo: Sary Ragidro :)

Toa ohatrany mankaleo
Raha ny sariko foana no miseho
Ka indro sary vaovao
Antenaina hafinaritra anao

Sary ragidro tena tsara
Mampiavaka an'i Madagasikara
Ahitana azy any anaty ala
Na andro mafana na mamanala

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

08/26,2016

Tononkalo: Vehivavy Malagasy

Vehivavy Malagasy, ampela soa
Manja, kanto sady meva tokoa
Vehivav Gasy tsy mba miavona
Izay misavoritaka tiany haravona Smile

Mahafinaritra ny volo mirandrana
Ka iny koa izahay fa nanandrana
Tsy nihambahamba fa norandranina
Amin'izay hono mba mora havanina Smile


Dia mba manao rastà
Jereo fa manendrika ahy
Tarehy miravaka masonjoany
Sy feno tsiky tsy mety lanySmile

 

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Sary tamin'ny vakansy Foulpointe Aogositra 2016.

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

08/05,2016

Tononkalo: Facebook-ndry tovovavy :)

Indry angaha manana kaonty "Facebook"
Manana aho fa tsy azo lazaina amin'ny zoky.
Tsy azo ampahafantarina an'ny dada sy neny.
Tandremo indry mandaza, aza miteniteny.

Andefasako demande d'amis indry
Ao indray isika miresaka sy mifankatia.
Rahoviana no hiaraka hanao "selfie".
Mba hisarihana sy hanairana any lery.

Ahoana aky no hahazoana "j'aime" bobaka.
Ekena daholo izay demande d'amis mitobaka.
Dia aza adino ny mandefa sary sexy.
Amin'izay ny namana rehetra faly ery mankafy.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

08/04,2016

Tononkalo: Hajao ny ray aman-dreny

 

Omeo fanajàna ny ray aman-dreny.
Nahitàna masoandro mantsy izy ireny.
Aza hodiana fanina ny vali-babena.
Fa ataovy am-pitiavana sy am-pahendrena.

Aza mitsipa-doha ny laka nitàna.
Ny loharano nipoirana nikolo ny fahazazàna.
Sy nikarakara nandritra ny fahatanoràna.
Angady nananana sy vy nahitàna.

Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny
Miteràha hono mba hahita.
Mba henoy izy ireo raha mba miteny.
Satria tiany ianao mba ho tafita.

Mbola hafa ihany ny velon-dray aman-dreny
Manana mpiahy sy mpitsinjo ombieny ombieny
Tiavo izy ireo dieny mbola velon'aina.
Mba tsy hanenenana sy hampitaraina.

Na efa manambady aza ianao ankehitriny.
Ny mahasoa anao hatrany no faniriany.
Ireo zafikeliny izay tena tsy foiny.
Ho ento any aminy, hifaliany sy hotrotroiny.

Raveloaritiana Mamisoa

Tononkalo | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

08/01,2016

Tononkalo: Mirary soa (volana Aogositra)

Mirary soa amin'ity herinandro vaovao.
Izay rehetra tsy mahasoa ario sy avelao.
Ho feno fitahiana ny volana Aogositra.
Izay rehetra kinasa anie tsy ho votsitra.

Mirary soa ho an'izay hanala BAC.
Mifantòha tsara fa aza midanàka.
Ny Tompo hitantana sy hanolo-tsaina.
Mba hody ventiny ny rano nantsakaina

Soava-dia ho an'izay handeha hanao vakansy.
Mahazòa fahafinaretana sy ambiansy.
Ankafizo, araraoty ny fialan-tsasatra.
Mba miala kely amin'ny asa manasatra.

 

Raveloaritiana Mamisoa

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/26,2016

Tononkalo: Bevohoka Tsy Manambady

Tena mafy izany hoe bevohoka tsy manambady.
Misedra olana goavana, ao anaty ady.
Lasa ambetin-dresak'izy mianakavy.
Fa hoe zaza maditra, potika ny hoavy.

Tena mafy, mila tsy hay zakaina.
Isan'andro lava, toa miferitraina.
Manampy trotraka ny vavambahoaka.
Mampitomany, toa mampite hitsoaka.

Miady mafy, isan'andro lava izao.
Mandresy lahatra ny rain-janakao.
Indrisy, hadalana hono ny anao ka zakao.
Fa tsy zanany hono ny ao an-kibonao.

Hadalana tokoa, zakaina izay natao.
Mila mitràka, tsy mila mitalaho.
Aza miraharaha izay fosafosa sy fanaratsiana.
Soloy fanantenana izay mety ho fanakiviana.

Esory ao an-tsaina ny hoe hanala-zaza.
Na iza hanery na koa hivazavaza.
Ny zanaka ao an-kibo no andeha jerena.
Mahereza hatrany, ampifalio ny tena.

Rano raraka, tsy azo raofina intsony.
Ny hoavy no banjino, matokia ny ao Ambony.
Izy mbola manana drafitra tsara ho anao.
Mbola hody fifaliana ny ranomasonao

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/22,2016

Tononkalo: Soamahamanina.

Mihetsika ny mponina ao Soamahamanina.
Manohitra toe-javatra iray tsy milamina.
Hetsika goavana, somary mazamazana.
Hanoherana ny famarotan-tanindrazana.

Trandrahan'ny Shinoa ny harena an-kibon'ny tany.
Harenantsika tsy omena na amidy fahatany.
Sady mety hanimba ny tontolo iainana.
Tsy maintsy toherina hiarovana ny fiainana.

Alain'ny Shinoa ny harena ao an-tanàna.
Koa aza variana, aza mihanahàna.
Aza manaiky ampandriana andrisa.
Amin'ireo fitaka sy lainga maro an'isa.

Niantrana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana.
Nantenaina hiaro ny vahoaka efa sahirana.
Saingy indrisy tsy mba niaro ireto vahoaka.
Fa baomba mandatsa-dranomaso indray no napoaka.

Tonga teny ny mpanao gazety isan-tokony
Mba hanadihady ny zava-misy eny ifotony
Tsy navela hiditra tao amin'ny toeram-pitrandrahana.
Asa nahoana, misy zavatra maha mahana?

Misy antony ny tolon'izy ireo.
Matoa izy ireo mihetsika sy miloa-peo.
Ry fanjakana, aza tia tena sy mody fanina.
Mba jereo, Vonjeo Soamahamanina.

Avereno amin'ny mponina ny fananany.
Avereno ho eny am-pelatanany.
Avelao hotantaniny ara-drariny.
Satria hareny ary koa tany ao aminy.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/20,2016

Tononkalo: Tsy nahita tory aho tamin'ny alina.

Ity ary tantara tena marina.
Zavatra niainako t@ alina.
Indro hozaraiko aminao.
Raha toa ka liana ianao.

Tsy nahita tory aho tamin'ny alina.
Ka nifoha ary dia niarina.
Mba hitady aingam-panahy.
Hosoratana ho anao sy ho ahy.

Saingy nanelingelina ireto alika.
Tsy mitsahatra mivovò.
Ka nanjavona tsy hita.
Ilay aingam-panahy tato an-doha.

Lasa aho niverina teny am-pandriana.
Hitady torimaso eo anilan'ilay olo-tiana.
Izy anefa toa tsy mba mandre.
Ilay safosafo fa matory be.

Tsy nety nahita tory fa nipitrapitra.
Mihaino feon'alika tsy mety ritra.
Nijery fahitalavitra no niafarany.
Sady mihainohaino ny any ivelany any.

Faly ery fa nitaky ihany ny torimaso.
Hatory amin'izay tsy misy andraso andraso.
Tampoka teo, nitomany ny zazakely.
Tsy maintsy nifoha, tsy kivy velively.

Dia niverina ilay aingam-panahy.
Ka nanoratra tsy misy ahiahy.
Nahavitako ity tononkalo ity.
Misaotra anao ary nankafy.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou).

Tononkalo | Hevitra (10) | Hametraka hevitra

07/19,2016

Tononkalo: Mirary soa ho an'ny mpiadina BEPC sy izay mbola mianatra.

Mirary soa ho an'ireo mpiadina hanala BEPC.
Aza matahotra, ny Tompo homba an'ise.
Izy hitantana sy hanome fitadidiana.
Hanampy hahatratra ity tanjona iriana.

Mazotoa koa ianareo izay mbola mianatra.
Raketo am-po hatrany ireo anatranatra.
Aza atao ambanin-javatra ny fianarana.
Fa io ny lova sarobidy ilaina hiakarana
sy hisondrotana amin'ny avo indrindra.
Hanampy hahazoana fiainana mirindra

Raveloaritiana Mamisoa. (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (17) | Hametraka hevitra

07/19,2016

Tononkalo: Mirary ny soa sy ny tsara...

Mirary herinandro sambatra ho antsika.
Manaova mafana fa ny andro mangatsiaka.
Ny tanjona iriana dia ny mba ho tafita.
Ka hifaly hirehareha amin'ireo zava-bita.

Mirary fahazotoana ho an'ireo handeha hiasa.
Aza kivy, hotanteraka anie izay kinasa.
Milofosa, mahereza ary mazotoa.
Miasà am-pifaliana sy amin-kerim-po.

Mirary fiononana ho an'ny tra-pahoriana.
Ny Tompo hampitràka ary koa hampangina.
Mankahery ireo rehetra misedra-olana.
Tsarovy fa ny Tompo no tena vahaolana.

Mirary fahasalamana ho an'izay marary.
Manàna finoana, ny Tompo tsy manary.
Mirary ny soa sy ny tsara ho antsika mianakavy.
Vonona hatrany miatrika ny hoavy.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/18,2016

Tononkalo: Fantatrao ve?


Fantatrao ve izany hoe Paradisa.
Natokana ho an'ny vitsy an'isa.
Dia ireo izay matoky an'Andriamanitra.
Hiara-dalana hiakatra any an-danitra.

Fantatrao ve izany hoe afobe.
Helo handoroana olona marobe.
Dia ireo izay mifikitra amin'ny fahotàna.
Sy mankasitraka ny fanaon'ny Satàna.

Ka raha tsy maintsy hifidy ihany.
Tsy aleo Paradisa dieny ety an-tany.
Ka hanao ny marina hatrany hatrany.
Mba ho avotra any am-parany any.

Raveloaritiana Mamisoa (@mammysou)

Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

07/14,2016

Tononkalo kely vao maraina.

Tehiriziko ato itony tononkalo kely mba zaraiko ao @ facebook itony mba tsy ho very. Tononkalo tsotra nefa mba mahafinaritra ahy:

Tonga indray ity ny maraina vaovao.
Nomen'ny Tompo ho ahy sy anao.
Ka derao sy ankalazao.
Ilay Jesosy Tompo anilanao.

Miala any ny tononkalon'i Mamisoa.
Hoy ianao manontany anakampo.
Fialam-boly iray, mamelombelon'aina.
Sady kanto ery, ka tiako hohatsaraina.

Olona afaka aho, ka mba te hiteny.
Ny tononkalo no hanehoako azy ireny.
Sy hilazako izay hitako eny ho eny.
No sady manome lanja ny tenin-dreny.

Tononkalo amin'ny teny frantsay vetivety :) :

Arrêtez.....(en parlant des débats autour de l'Euro 2016 entre la France et Portugal sur les réseaux sociaux Malgaches.)

Arrêtez tous ces discours de haine.
Xénophobes ou schizophrènes.
Qu'ils soient pour l’équipe rouge ou l'équipe bleue.
Arrêtez les insultes, mais ce n'est qu'un jeu.

Arrêtez vos jugements sur le choix des autres.
Qui ne reflètent pas à la votre.
Arrêtez les dénigrements de vos adversaires.
Soient compréhensives, mes sœurs et frères.

Sachez que le sport doive nous unir
Arrêtez les disputes, et gardez la sourire.
Donner place à l'amitié et la paix.
Pour promouvoir les valeurs de la solidarité.

 

Mamisoa. 14 Jolay 2016


Tononkalo | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

06/13,2016

Ankizy Mitady Vola

Anisan'ny fampanantenana goavana nataon'ny filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimpianina ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazam-pirenena, saingy tsy hita taratra izany mandraka androany satria mbola marobe ireo ankizy tsy afaka mandia fianarana ka voatery mikarama amin'ny sehatra maro.
Ankizy miasa mitady vola amin'ny alalan'ny fanaovana tononkalo na hira ao anaty fiara fitateram-bahoaka no hoentina amintsika eto, mitety fiara iombonana izy ireo amin'izany ary etsy amin'ny Fasan'ny Karana, Anosipatrana no tena toerana misy azy ireo. Maromaro ireo ankizy manao ity asa hafakely ity saingy i Son kely no sendra nifanojo t@ko tamin'ity indray mitoraka ity raha nandeha fiara iombonana (bus 152) ny tenako.



Variana ny mpandeha izay sendra azy ireo voalohany, ary tsy misalasala manome izay foiny. Ireo efa zatra azy ireo kosa tsy taitra intsony satria voalaza fa tsy miova mihitsy ny tononkalo fiventson'izy ireo ary mitovitovy daholo. Lava ny tononkalo nataony, ary hita fa efa nianarana mialoha.

Tsy afaka nanadihady azy aho fa ny anarany ihany no hany afaka nanontaniako satria maika ery izy hiampita bus iray hafa indray mba hitady vola. Rehefa nanontany ilay mpanampin'ny saofera (resevera) aho dia nilaza izy fa mitovitovy tahaka izany daholo ny tononkalo sy ny hira ataon'ireo ankizy. Milaza momba ny zava-misy sy ny zavatra iainan'izy ireo. Ary tena mahazo vola izy ireo amin'izany.


Ity sarin'i Son Kely manao tononkalo, omena anao eto ambany ihany koa ny sombiny kely tamin'ny tononkalony:




Hafatra ho an'ny fivondrononana
Aza hoentina amin'ny fiavonavonana
Avelao ilay mpivarotra mba hitady
Tsy manan-karena fa mafy ady
Tsy menatra akory ilay ramose
Isan'andro isan'andro mitaky ticket
Ny paosy amin'izany mibotsina be
Hitan'ny olona hoe mi-zebra be


Tahiry indray no ankizy hoentina amintsika manaraka eto, mana-talenta kosa i Tahiry eo amin'ny sehatry ny fihiràna. Tsara feo tokoa izy hoy ireo mpandalo izay sendra maheno azy ka tsy misalasala manome vola izay foy ho azy. Mitady vola manerana an'iny Analakely iny no ataony isan'andro amin'ny alalan'ny fihiràna indrindra ny hiram-pivavahana.

 

Santionany tamin'ny hira sendra nandalovako teny Analakely ny hira "Andro fandalovana". Ankafizo ato anatin'ny lahatsary (ialàna tsiny fa mivadika ilay lahatsary :) ):



Ny ankizy miasa dia taratry ny fahantrana ka anisan'ny porofo mivaingana hanehoana ny fahantrana iainan'ny maro amin'ny Malagasy ny toe-javatra mampalahelo tahaka izao. Ankizy tokony mbola handeha hianatra nefa voatery na teren'ny ray aman-dreny hitady vola. Voazimbazimba ny zon'ny ankizy ary mila fiheverana.

Ao anatin'ny iray volan'ny ankizy ihany koa isika izao. Inona no azontsika atao amin'ireny ankizy sahirana ireny? Marobe ireo fikambanana mijoro tokony afaka manampy azy ireny. Ary indrindra ny fanjakana, izay tokony handray fepetra sy hametraka politika mahomby momba ny fiarovana sy ny fanatsarana ny tontolon'ny ankizy ary indrindra ny fanafoanana ny asan'ny ankizy tsy ampy taona. 

Ankizy miasa | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

08/13,2014

Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Tanora

Ankalazaiko amin’ny alalan’ny fanoratana ity lahatsoratra ity ny Andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora (12 Aogositra 2014), amin’ny maha-tanora reny ahy, ary indrindra ihany koa fa tanora no tena mandrafitra betsaka (atsasa-manila) ny mponina eto Madagasikara. Izay midika fa manana anjara toerana goavana ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Afaka manova zavatra eo anivon’ny fiarahamonina ny tanora amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra avy hatrany, saingy tsy ampy ny fanohanana azy ireo amin’ny lafin-javatra maro samihafa. Marihina ety am-piandohana fa ny lohahevitra amin’izao andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora izao dia « Ny tanora sy ny fahasalamana ara-tsaina » miaraka ny teny filamatra hoe “zava-dehibe ny fahasalamana ara-tsaina”.

Maro ny zavatra mampivarilavo ny tanora ankehitriny:

Maro ny tanora no variana amin’ny rendrarendra tafahoatra, ny filibàna, ny fisotroana toaka ary ny tena ratsy indrindra dia ny fidorohana zava-mahadomelina izay manimba tanora maro. Eo koa ny firosoana amin’ny fanaovana firaisana aloha loatra (14 taona) izay mitarika vohoka tsy niriana sy ny tahan’ny aretina SIDA. Tsy lazaina intsony ireo horonantsary mamoa-fady amin’ny aterineto, tsy ampy ny fandaharana sy ny fanentanana, fandrisihana ny tanora hitia fianarana, fandrosoana, fandraisana andraikitra. Ary eo indrindra ihany koa ny tsy fahitana asa na ny tsy fananan'asa…

Tompon’andraikitra avokoa isika rehetra:

Miainga amin’ny ray aman-dreny izay tokony haneho fihetsika mendrika sy tompon’andraikitra ao an-tokantrano, ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny. Eo koa ny mpanabe izay mandray anjara lehibe amin’ny fanabeazana ny tanora, hamafisina ny fitsipi-pipehezana ny tanora any an-tsekoly satria maro ny sekoly baranahiny amin’izao fotoana izao. Ary indrindra ihany koa ny fanjakana izay manana adidy lehibe amin'ny fampivoarana ny tanora.

Politika hoan'ny tanora:

Tokony hametraka politika mazava hoan'ny tanora ny fanjakana. Mila tohanan’ny fanjakana izy ireo amin’ny fanaovana maimaim-poana ny fianarana mba hanohizany hatramin’ny farany izany, ny fanomezana asa hoan'ny tanora, ny fampiroboroboana ny sekoly fianaran’asa, ny fampiroboroboana ny fananganan’ny tanora orinasa. Efa maro tokoa ny hetsika fifaninanana momba ny fananganana orinasa saingy mbola tsy ampy. Fananganana toeram-pitsaboana sy fanomezana toro-hevitra maimaim-poana (ara-pananahana, sns..) hoan’ny tanora. Ampitomboina ny fifaninanana amin’ny sehatra maro samihafa azon’ny tanora handraisana anjara (toy ny fanatanjahatena, kabary, lahatsoratra, sns tsy voatanisa mety handrisika ny tanora hikolokolo ny talentany sy hampiasa izany amin’ny fampandrosoana) 

Tsy azo lavina fa manampy ny tanora ihany koa ny fandraisana anjara amina adihevitra na amin’ny aterineto izany na ivelan’ny aterineto. Ka tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa ny fahafahan’ny  tanora hiditra aterineto mba hanovozan’izy ireo fahalalàna sy hanehoan’izy ireo hevitra an-kalalahana ary tokony hisy tompon’andraikitra politika hihaino ny hevitr’izy ireo fa tsy ampitahorina na rahonana amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka anaty aterineto (cybercriminalité).

Fandraisana andraikitra

Mila mandray an-tanana ny hoavintsika isika tanora, hibanjina ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka any aoriana. Ilaina ny miditra amin’ireny fikambanana sosialy, na mpanao asa soa ireny, izay efa miroborobo amin’izao fotoana izao. Mazoto amin’ny fanaovana adidy (ara-tsosialy, fiangonana,..).  Hijoro hatrany eo anivon’ny fiarahamonina, tsy miandry ny hafa raha mahita zavatra iray tokony hamboarina na diovina, fa raisina avy hatrany ny andraikitra.  Ohatra bitika iray : feno fako ny tokontany ao an-tanàna, mifampiandry anefa ny isan-tokantrano amin’ny fanadiovana izany, raha manana fotoana kely ianao tanora, raiso ny andraikitrao ary diovy izany

Mandalo tokoa ny fahatanorana ka araraoty dieny tanora isika, tsara fantarina ny zavatra tsara sy izay mahasoa mety hanampy antsika amin’ny fahombiazana eo amin’ny fiainana mba ahafahantsika manampy ny hafa sy hampandroso ny firenena ihany koa, mahay mitsinjo sy mitaratra sahady ny hoavy satria ny tanora tokoa hono no hoavin’ny firenena. Hoy ny ohabolana diso fantantsika hoe « tanora mamboly hazo, manan-kialofana rehefa lehibe », koa raiso ary ny andraikitra rehetra tandrify antsika mba hahatonga antsika ho olom-banona, olona matahotra an'Andriamanitra. Farany fa tsy ny kely indrindra dia ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra satria tsy afaka mandeha irery isika raha tsy manana Ray mpiahy hametrahana ny fiainantsika sy ny hoavintsika. Mirary soa antsika tanora amin’izay rehetra atao, aza kivy, fa mitsangana, mandrosoa hatrany, hoavy foana ny fotoana hinjinjantsika ny ezaka sy ny filofosana atao.

 

Mpitoriteny 11:9-10Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina hianao amin’ izany rehetra izany. Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana. »

tanora | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

10/04,2013

Tsy takatry ny saina ny fiasany

Fetin’ny reny tamin’ny herintaona aho no nanoratra farany tato ary tafaverina hitondra vaovao mahafaly eto indray hizara ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny fitantanany ny fianako nandritra izaho bevohoka, koa dia zaraiko eto izany ho fijoroako vavolombelona, araka ny voalaza ao amin’ny 2 Timoty 1:8 hoe: “Aza menatra ny ho vavolombelon 'ny Tompontsika … ».

Tamin’ny taona 2011, faly izahay raha nahafantatra fa bevohoka aho satria efa 8 taona ny  zanako voalohany tamin’izay, izany  hoe 8 taona taty aoriana indray vao hiteraka. Faly tokoa satria hitaiza indray. 1 volana ary ny kiboko, nahatsiaro marary eo amin’ny kiboko foana aho, tsy taitra anefa izahay satria nihevitra fa fomban’ny vehivavy bevohoka ilay marary ao amin’ny kibo. Mitohy foana anefa ilay marary ka tsy mandry  ny saina ary nanontany ireo namana vao avy niteraka raha narary tahaka izany izy ireo ary dia navaliny fa marary tahaka izany mihitsy indrindra fa ela tsy niteraka, dia somary mandry indray ny saina. Nihà-marary ihany anefa ilay izy ary nanomboka nikoropaka izahay satria lasa mandringa mihitsy aho rehefa mandeha, 1 volana sy tapany tamin’izay, tsy niandry ela fa nandeha nanao “echo”, ka indrisy nilaza ny dokotera fa efa tsy mitombo intsony ilay “embryon” ka tsy maintsy esorina, nalahelo mafy izahay ary tsy natoky ka namonjy dokotera hafa manam-pahaizana manokana momba ny taovam-pananahana sy kibo (gynécologue), nasain’ity farany nanao analyse “ Béta-HCG (gonadotrophine chorionique)”aho, ary voamarina ny tsy fitomboan’ilay “embryon”. Tsy maintsy noesorina ary ilay izy na dia mafy aza Cry. Andro maromaro vao afaka ny alahelo. Rehefa nozahana ny antony nahatonga izany dia nohon’ny fisian’ny aretina toxoplasmose, ka notsaboina tamin’ny alalan’ny “rovamycine” avy eo. Tsy kivy anefa fa nanantena  mbola hahazo indray satria nilaza ny dokotera fa afaka 2 volana dia efa mahazo mametraka zazakely indray. Nanisa andro, volana ary izahay, nikasa mihitsy hoe apetraka amin’ity andro sy volana ity dia teraka amin’izao, sns…lasa ny herintaona, herintaona sy tapany saingy tsy nety mihitsy ….Fikasana tokoa ny an’olombelona fa Andriamanitra no mandahatra.

2 volana taorian’ny nanesorana ilay zaza dia nisy zavatra marary foana indray  teo amin’ny kiboko, indrindra eo @ ankavanana, ka nandeha nanao “echo",  nilaza anefa ny dokotera fa madio tsara ny tranon-jaza, tsy misy zavatra hafahafa, dia nilamina ny saina. Marary matetika anefa ilay izy dia niverina nanao “echo” indray, nilaza ny dokotera fa “ovaire” mivonto ka notsaboina tamin’ny alalan’ny fanafody maromaro. Kanefa mbola marary foana e!, nanao “echo” tany an-kafa indray dia milaza ny dokotera fa normal daholo, ilay izy anefa marary, sasatra nanao “echo”, nilaza ny mpitsabo fa “calcul” ka mila misotro rano matetika, tao ny dokotera nilaza fa mety kankana, notsaibona odi-kankana, fa tsy mety afaka foana ilay marary. Lany aiky aho ka misy indray ny manoro hevitra hoe miotra, rehefa niotra anefa mbola  tsy afaka ihany. Ny hany sisa fanantenana dia ny ao ambony, nivavaka aho sy nanankina ny fiainako tamin’ny Tompo, satria Izy no mahalala izay mahasoa ahy .

 8 taona niasàna taminà orinasa momba ny filokàna aho, efa ela aho no nikasa hiala tao amin’io orinasa io fa noho ny fahasahiranana sy ny tahotra tsy hahita asa dia niaritra ihany, satria somary tsara ihany ny karama no sady niadana koa satria miasa tapak’andro fotsiny (ny hariva @3 hatr@ 7ora) ary miasa 4 na 5 andro ao anatin’ny herinandro. Nahafahako nanohy ny fianarako sy nanao zavatra hafa maromaro mihitsy, noho ity aretina ity anefa dia lasa ny saiko hoe ankasitrahan’Andriamanitra ve ity asa ity?. Tapaka ary ny hevitra fa hiala @io asa io aho dia hitsabo tena ary nanaiky ny vadiko.

Teto no niseho ny voninahitr’Andriamanitra , niala tamin’ny asako aho ary natomboka t@ fakàn-drivotra tany Ambanivohitra ny fitsaboana tena, rehefa niala sasatra tany dia nitaingina bisikileta tsy nisy hisatra, ka nianjera nihosona t@ tany ka folaka ny tanana, nivonto ny handrina sy ny maso, mahagaga anefa fa hay ity izaho efa bevohoka t@io fa tsy nahafantatra na inona na inona satria nihevitra fa mbola tsy nipetraka foana, ny vadiko niteny ahy hoe raha bevohoka moa ianao dia ahoana?, rehefa nandeha teny tokoa ny andro dia tsy niverina ny fadim-bolana, rehefa nanao “test” dia akory ny hafaliana fa positive, izany hoe bevohoka aho, dia gaga izahay hoe vao niala ny asako aho tonga dia bevohoka, ary na dia nianjera be tamin'ny bisikileta aza tsy naninona, nihevitra ary nino avy hatrany aho fa valisoa avy amin'ny Tompo izany satria nahafoy aho ary nomeny lavitra tsy araka ny noeritreretiko. Faly sahirana ary izahay satria raha saika mbola hitsabo tena, kanjo bevohoka, avy hatrany dia nanatona dokotera ary nasaina nanao analyse hijerena raha efa afaka tsara ilay toxoplasmose nahatonga ilay vohoka tsy nety teo aloha, akory ny fahatairana raha naharay ny valin’ny analyse satria mbola positive ihany ilay “toxo”, ka nasaina notsaboina fanafody “rovamycine” indray, nitebiteby fatratra tsy nisy toy izany nefa nana-pinoana ihany aho fa valisoa avy amin’Andriamanitra ity zaza ity ka tsy tokony ho taitra fa mivavaka foana, nanantona ilay gynécologue voalaza etsy ambony izahay ary nilaza izy fa tsy misy atahorana satria efa “ancienne ilay toxoplasmose” ary najanona ny fihinanana ilay fanafody.

Tao anatin’izany koa anefa, 1 volana ny kiboko, naharay “fampiatsoana” avy amin’ny tribonaly (ady madio) aho ka somary taitra, nefa tsy naninona. Nivezivezy teny amin’ny tribonaly ny tenako sy ny kiboko nandritra ny fotoana nitondrako vohoka. Mandritra izany anefa, mbola reko marary matetika ilay eo amin’ny kiboko ka indraindray lasa ny saina hoe tsy ho tàna mihitsy ity zaza ity raha izany marary izany fa noentiko ambavaka teny foana.

Raha tsorina ny fotoana nitondrako vohoka dia niaina tao anatin’ny tebiteby, fitaintainana, nefa noho ny herim-bavaka ary indrindra indrindra noho ny fitiavan’Andriamanitra izay tsy takatry ny saintsika, dia teraka soa aman-tsara aho efa tamin'ny volana mey, salama tsara ny zaza, ary tsy dia reko firy intsony ilay marary. Izao vao malalaka afaka nanoratra satria mbola sahirana tamin'ny fitaizana Smile.

 

Fivavahana | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

08/26,2012

Andraso eo Paoly!

Dia ireny niaraha-nahita ireny ny tohin’ny famahana ny krizy izay  iantsorohan’ny SADC, samy tsindrin-daona tokoa  ny tsirairay  niandry izay ho voasazy amin’izy roa lahy  (Ravalomnana Marc – Rajoelina Andry) taorian’ilay fivoriana an-tampony faha 32 an’ireo filoham-panjakana ao amin’ny SADC farany teo tany Maputo, tsy nisy anefa ny sazy nilatsaka fa ny fanohizana ny fitadiavam-bahaolana no atao, dia ny fanarahana antsakany sy andavany ny tondro-zotra, izay vao tapa-kevitra hanatanteraka sy hanaja ny tondro-zotra, herintaona taoriana ny fanaovan-tsonia? Ary ilay tondro-zotra tsy tonga dia hoe hampiharina dieny izao fa mbola misy fepetra, satria mbola hodinihan’ny Troika miaraka amin’ny  Tafika sy ny fitondrana tetezamita ny fotoana tokony higadonan’ny filoha eto Dago ho fampiharana ny andininy faha-20 diso fantatra ao amin’ny tondro-zotra, ka raha tsy misy ny korontana  dia tokony ho tafaverina ao anatin’ny 30 na 60 andro (1 na 2 volana) hono Ravalomanana. Miandry an’i Paoly  i Ravalomanana raha izay no antenainy.

Araka ny efa nosoratako, fotoana very maina sy fandrebirebena ary fika fotsiny izany hoe mbola haniraka delegasionina hifandinika amin’ny foloalindahy sy ny hery velona eto amin’ny tany sy fanjakana izany, efa hita ny toe-tsain’ny miaramila [ireo lehibe] fa tsy mankasitraka velively ny fiverenan’ny filoha teo aloha an-tanindrazana satria mety hanohintohina ny tombotsoan’ny sasany. Efa mazava be rahateo ihany koa ny hevitry Rajoelina Andry, ary tsy hiova amin’ny heviny mihitsy izy raha izao fandehan-draharaha politika izao no jerena, tena mafy ange ny fatahoran’ny filohan’ny tetezamita sy ny mpanara-dia azy an’ingahy Ravalomanana Marc e!  Vao maika nitombo be izany tahotra izany taorian'ny nahalany an-dRavalomanana ho filoha mpanampy eo anivon'ny FJKM.

Tsy nilaza ny marina izay tena tapaka ny SADC taorian’io fihaonambe io, tahak’izay foana moa hatramin’ny fiandohan’ny fihaonana (face à face) nisy teo amin’izy roa lahy ny fanambaran’ny sadc, somary mifanipaka amin’ny zavatra hita, tsy mazava, maloka tanteraka. Tsy sahy milaza izay tena zava-nitranga izy ireo, matahotra ny hahazo tsikera noho ny tsy fahombiazan’ny fanelanelanana ataony ve?  Sarotra anefa ny hanome tsiny azy ireo, saro-toerana ny sadc satria tsy manan-jo hibaiko (imposer) fa voafetra amin’ny fampandrosoana vahaolana (proposition) ihany no azony atao. Tokony hampiseho mazava fotsiny anefa izy fa tsy miandany amin’ny fanelanelanana ataony, ny fanambarany miovaova sy tsy mazava ataony no mahatonga ny olona hitsara azy ireo ho manana firehana.

Dia ho hita indray izay ho tohin’ny tantara raha ho tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aoriana ny 2 volana na tsia? Endraso eo Paoly raha avelan’i Rajoelina hody eo izany Ravalomanana. Mety mbola hamorona fanohizana dinika vaovao indray izy? Dia hitarazako eto foana ny famahana ny krizy. Vahaolana firy izay no nampiasana, nolazaina fa ity no tena farany (dernière chance) fa mbola tsy hita ihany izay mangirana.

 

 

Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

08/15,2012

Inona ny vahaolana?

Asa re! hanao ahoana ity Madagasikara malalantsika ity, iza loatra no mahatonga ny firenentsika latsaka an-katerena sy anaty kizo tahaka izao? Nefa dia firenema manankarena sy afaka mandroso tanteraka ny firenentsika. Maro ny vahaolana naroso noentina namahana ny krizy fa nandamoka avokoa. Mety ho vahaolana mahomby sy maharitra ary ve izay fanapahan-kevitra farany ho raisin’ny SADC aorian’ny  fihaonamben’izy ireo any Maputo? Maro ny mihevitra fa tsy handravona ny olana misy ny fanomezana sazy na ny andaniny na ny ankilany izay lazaina fa sakana tsy hirosoana amin’ny vahaolana.

Koa inona ary ny vahaolana farany? Aiza ary any amin’iza ny fanalahidin’ny vahaolana? Tsotra sy haingana ihany anefa ny vahaolana raha tena tao anatin’ireo mpifanandrina nahatonga ny krizy izany atao hoe tena fitiavan-tanindrazana izany, tsy mila nandany vola be sy andro akory, tsy nila an’izany SADC izany koa, fa raha tena tia tanindrazana marina izy ireo dia tsy nihambahamba nanome toerana sy lanja ny Soatoavina Malagasy, dia ny FIHAVANANA, ny FIFANDEFERANA tokony samy hiaiky fa samy diso ka ny hahasoa ny firenena sy ny vahoaka ao aminy amin’izay no hobanjinina. Koa aok’izay ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka noho ny fitiavan-tena sy hambom-po diso toerana. Matahora ny ao ambony, matahora ny tody, fandalovana ny ety an-tany ka tsy aleo ve mifamela ho tombotsoa ambonin’ny firenena.

Ka raha hifamela ary izy ireo, ary samy hirotsaka hofidiana, hitondra vahaolana maharitra marina ve? Ao ireo milaza fa vahaolana tsotra ny tsy firotsahan’izy ireo hofidiana. Tadidio anefa fa zony feno ny hirotsaka hofidiana, ary tsy azo sakanana amin’izany izy ireo. Safidim-bahoaka io ka izay mamim-bahoaka sy hitokisany ihany? Ka aleo hirotsaka izy roa lahy fa aza raràna. Afaka tsy mifidy azy ireo milaza ny tsy tokony hirotsahany, sady raha tsy hilatsaka hofidiana izy ireo. Iza no mety mahasolo tena azy ary iza no hiantefan’ny safim-bahoaka? Roland Ratsiraka ve? Sa Pierrot Rajaonarivelo? Sa Pasitera Mayol? sns. An’ny tsirairay ny safidy.

NEFA hanao ahoana ny aoriana ny fifidianana raha lany ny iray amin’izy roa lahy? Any ampelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny baolina amin’izay, izy ireo no tompon’ny basy, afaka hametraka ny filaminana sy hanafay ireo izay tsy mahazaka resy ka minia mbola hanakorontana indray aorian’ny fifidianana, RAHA tena fifidianana madio, mangaraharaha, nialohavan’ny fitoniana ara-politika sy ny fampihavanam-pirenena, fifidianana niarahan’ny rehetra nikarakara, eken’ny rehetra, eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena marina no natao. Asa re! hanao ahoana ny fihetsiky ny miaramila? mbola hiray tsikombakomba amin’ny olom-bitsy ihany ve ka hanongam-panjakana sa hipetraka amin’ny  maha-tandroka aron’ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena amin’izay aorian’izay ho fifidianana? Azy ireo ny basy ka azy ny fahefana hoy ilay olona izay. Rehefa hendry ireo miaramila ka manatontosa ny asany amin’ny antsakany sy andavany, milamina ny firenena. Tsy nisy izao krizy izao raha nanaja ny hasiny sy ny lanjany ny miaramila ka tsy nanampy an-dRajoelina handrombaka ankeriny ny fahefana, izao sisa no vokany. Any aminareo mpitandro ny filaminana indrindra ihany koa no tena misy ny vahaolana. 

 

Politika | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

08/10,2012

Ho hita eo izay hafitsony sy havoakany.

Eo amin’ny sehatry ny politika indray no hosoratako anio rehefa tsy heno heno tao anatin’ny fotoana lava, na izany aza manoratra foana ihany aho ao amin’ny bilaogiko amin’ny teny frantsay izay azonao tsidihana eto.


Tato anatin’ny fotoana fohy, maro ireo tranga niseho nifanesisesy: ny fikomiana tao amin’ny tobin’ny RFI Ivato, ny fandroahana an’i Lalao Ravalomanana tamin’ny figadonany tao an-tseranam-piaramanidina, ny fihaonana voalohany teo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina tatsy Seychelles, ny fanambarana ny tetiandron’ny fifidianana, ny fihaonana fihodinana faharoa teo amin’izy miralahay mianaka, sns. Tsy lazaina intsony ihany koa ireo hetsika maro samihafa miseho lany toy ny fitakiana sendikaly (ny fitakian’ny SEMPAMA izay efa nihanaka hatrany amin’ny faritra sy ambanivohitra maro, ny fitakian’ny mpitsabo mpanampy, ny SECES sy ny mpianatra eny Akatso, ny SMM, sns. Ao koa ny tsy fandriampahalemana, ny fihanaky ny asan-dahalo manerana ny Nosy, ny fisian'ny Remenabila sy ny ekipany mandravarava any atsimo, sns. 

 

Na dia eo aza anefa izany olana maro be izany, mbola tsy naharototra foana ireo tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny firenena ny tokony hamahana haingana dia haingana ny krizy, tsy iainany tokoa ny fahantrana, hany ka nandamoka indray ny fihaonana fihodinana faharoa nisy teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tatsy Seychelles, izay efa tsy mahagaga ny mpanara-baovao intsony ny vokatra tamin’izany. Iza no tena miziriziry? Iza no sakana ka mety hahazo ny fanasaziana avy amin’ny SADC? Tonga hifampitafa sy haka ny hevitr’ireo hery velona sy mpanao politika nanao Sonia ny tondrozotra indray ny SADC, kely ny finoana hivoahany amin’izany, sady efa hita rahateo koa ny firehana misy amin’ireo mpanao politika 10 nanao sonia ny tondrozotra, izay fantatra fa mpanohana ny FAT no maro an'isa. Eo am-pelantantan’ny SADC ankehitriny ny fivoahana amin’ny krizy, telo taona mahery izay, mbola eto ihany, mihalalina hatrany ny kizo iainana. Natao daholo izao rehetra izao fa eh eh eh!, nivezivzey tetsy sy eroa nitsidika firenena Afrikanina maro fa eh eh eh, tsy mahomby hatrany ny fanelanelanana nataon’ny SADC, izay tsy mazava amin’ny maro ihany koa ny tena tanjony. Ho hita eo izay hafitsony sy havoakany. Ny fanantenana sy ny irariana dia ny fahitsin'ny fitsarana sy ny fijery ny SADC amin’izay fanapahan-kevitra horaisiny aoriana ny fihaonana an-tampon’ny SADC amin’ny 17-18 Aogositra izao.


Voalaza fa teo amin’ny fikasan-dRavalomanana hilatsaka hofidiana filoham-pirenena no tena nikatso ny dinika? Tsy manaiky ny hirotsahan-dRavalomanana i Rajoelina, nilaza ity farany fa tsy ampy ny fepetra hahafahan’ny filoha teo aloha hirotsaka hofidiana filoham-pirenena Malagasy, saingy neken-dRajoelina kosa hono ny fodiany an-tanindrazana FA mbola hifampiraharahana amin’ny miaramila sy ny fitsarana aloha hoy izy. Azo lazaina fa mbola misy hafetsena ihany satria mbola asiana fepetra ilay fodiana. Inona moa no mbola tokony hifampiraharahana amin’ny polisy sy ny fitsarana rehefa manome baiko sy fanazavana fotsiny Rajoelina filohan'ny tetezamitatra hoe: mba hivoahana amin’ny kirizy ry tompoko lahy sy tompoko vavy, nanaiky aho, nandefitra be aho fa hampodiana ny filoha teo aloha satria ny fitiavan-tanindrazana no manosika ahyyy Laughing! Hifampiraharaha mbola haharitra hafiriana indray? Hoy ihany koa izy nilaza teny Ivato rehefa tonga avy tany Seychelles fa tsy ho tafaverina eo amin’ny fitondrana izany intsony Ingahy Marc Ravalomanana, nanatevin-daharana ireo mpaminany koa Rajoelina ka efa mahita ny hoavy sahady fa tsy ho eo amin'ny fitondrana intsony ny filoha teo aloha nahongany? Hanao izay ho afany izy arak’izany mba tsy hiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana sy hirotsahany hofidiana. Ho hita eo koa izay hafitsony sy havoakany.      

 

Fa dia mafy sy mangidy loatra ny fahatahoran’i Rajoelina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny firotsahan’ity farany hofidiana filoham-pirenena ka sakanana amin'ny fomba rehetra, inona no antony? Samy manana ny valinteniny isika nefa mety misy mitovy fijery ihany koa.

 Amiko anefa tsy tokony hosakanana izay te hirotsaka hofidiana, safidin'ny tsirairay io ary anjaran'ny vahoaka no mifidy izay tiany. Mazava ihany koa ny lalampanorenantsika fa afaka mirotsaka hofidiana daholo izay te hilatsaka ary anjaran’ny vahoaka no mifidy izay olona tiany hapetraka hitondra ny fireneny.

 

 

 

Politika | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

06/03,2012

Neny, tsy misy toa anao

Miarahaba antsika reny rehetra aminin’izao fetin’ny reny izao. Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho antsika renim-piakaviana. Ny Tompo anie homba sy hitahy antsika ary hanome hery hatrany amin’ny adidy aman’andraikitra miandry antsika isan’andro. Mahereza daholo isika reny!

Ity misy tononkalo kely atolotra ampifaliana sy ampitiavana antsika reny rehetra.

 

Neny, tsy misy toa anao


Tsy hay ny tsy hiteny                                     

Amin’izao fetinao izao ry neny                     

Resy lahatra amin’ny fitiavanao             

Neny, tsy misy toa anao                                  

 

Faly tokoa re ny fo,

Manana reny manasoa

Mamiko sy hajaiko ianao

Neny, tsy misy toa anao

 

Loharano niaviana,                                      

Nisotro ny rano tsy tiana                         

Mikolokolo ny ankohonanao                      

Neny, tsy misy toa anao                               


Na dia eo ny fijaliana

Indro feno fitsikiana

Tsy foiko indrindra ianao

Neny, tsy misy toa anao


Neny, tokana aman-tany                             

Miahy, mitia hatrany hatrany                

Manao izay azony atao,                                

Neny, tsy misy toa anao                             

 

Indro ianao mampahery

Raha sendra iny aho ka irery;

Mampitraka ahy raha mitalaho

Neny, tsy misy toa anao

 

Neny mahalala ny ato am-poko             

Raha toa aho mitoloko                                

Tsy misy atakaloko anao                           

Neny, tsy misy toa anao      

                      

 Inona no havaliko anao

Noho ny soa sy ny haben’ny fitiavana

 Ny Tompo anie homba anao

Neny,  tsy misy toa anao

 

Mamisoa

03 Mey 2012 (fetin’ny reny )

 

 

 

 

Fetin'ny reny | Hevitra (4) | Hametraka hevitra

05/29,2012

Loto etsy sy eroa

Rehefa tsy nanoratra tao anatin'ny fotoana lavalava ny tenako, dia tafaverina eto indray hiresaka momba ny loto iainana eto andrenivohitra. Vao miresaka loto isika dia ny fako miparitaka, ny tatatra tsentsina, ny fahalotoan'ny rano sy izay rehetra mety ho loto miteraka aretina no tonga ao an-tsaina avy hatrany, zava-misy efa tsy mahagaga ny maro intsony.


 (Fanariam-pako ao Andravoahany, eo amin'ny fiholalana akaikin'ny rotsirotsy)

Ankehitriny, n'aiza n'aiza aleha dia ahitana karazana loto, eny an-dalana, indrindra ny lalan-kely sy ny eny an-tsena, izany hoe eny amin'ny toerana tsy misy mpanara-maso. Any anaty toeram-piasana sy ny toera-pianarana kosa anefa dia hita fa madio, satria misy ny fanaraha-maso sy ny fitsipika anatiny tsy maintsy hajaina. Tsy maintsy asiana fanaraha-maso tahaka izany foana tokoa ve vao ho tonga saina ny malagasy sasany amin'ny fitandroana ny fahadiovana.


(Lalan-kely ao Anjanahary)


Ity sary eto ambony ity ohatra sarinà lala-kely eny Anjanahary, mahagaga tokoa hoe iza no manaparitaka fako tahaka izao, andeha atao hoe alika, satria ny alika tokoa matetika no misava fako sy manaparitaka azy, betsaka tokoa manko ny alika mirenireny eny rehetra ireny, izay ampatsiahivina fa loza mitaotao ho an'ny mponina ihany koa. Fa ny tena maharikoriko sy tsy azo nalaina sary dia ny fisian’ny maloto(diky)eraky ny lalan-kely, tsy hay intsony hoe, ny alika ihany koa ve sa olona tsy manana lava-piringa no manao maloto eny rehetra eny.


(Fanariam-pako ao Andravoahangy tsena, aty akaikin'ny Mascar)

Tsy lazaina intsony ihany koa ny loton'ny rano sotroina, noho ny habetsahan'ireo fonenana miforona tsy ara-dalàna manodidina ny farihy sy ny renirano, eo koa ny indostria izay mahatonga ny fandotoana isan-karazany toy ny rano maloto, fako avy niasa tamin’ny ozinina, nisy ihany koa ny filazana fa efa manimba nify ankehitriny ny ranon’ny Jirama, ka hany tsy maintsy hampangotrahana foana vao mampiasa azy, indrindra raha sotroina.

Ny rivotra maloto iainana andavan’andro moa dia aoka fotsiny, mamely ny fofo-pako, ny setroky ny fiara, sns..izay fototry ny aretina maro samihafa (homamiadana, aretin’ny fisefoana, areti-maso sns…), ka hany misafidy misintaka ny renivohitra ny fianakaviana manana fahefana ny amin’izany rehefa faran’ny herinandro mba haka rivotra madio.


(Fanariam-pako ao Belair)

Antenaina fa tsy hivangongo firy intsony ny fako taorian'ilay fanomezan’ny filoha FAT kamiao 6 fotsiny ho an’ny kaominina, ilàna fepetra sy fandaminana mahomby tokoa ny fandraovana ny fako sy ny fanadiovana atao amin’ny tanàn’Antananarivo; koa dia manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra mba ho tanàna madio, mata-te-honina ny renivohitra, isika olom-pirenena ihany koa dia tompon’andraikitra amin’ny fitandrovana ny fahadiovana (tsy hanipy fako, na hanao maloto eny rehetra eny, sns..). Zava-dehibe tokoa ny fiarovana ny tontolo iainan-tsika koa dia tandrovy mandrakariva izany ho fitsinjovana ny taranaka ankehitriny ary indrindra ny hoavy, mbola hiresaka bebe kokoa momba ny tontolo iainana ny tenako rehefa manam-potoana.

Ialàna tsiny indrindra fa somary maharikoriko ny sary, ireny no zava-misy eny an-dalana dia tsy naharitra ny tena fa tsy maintsy naka sary tamin'ny alalan'ny finday, marihana fa izay fanariam-pako naleha sy hita dia feno na mihoatra avokoa ny fako ao anatiny.  

Dia izay indray aloha fa samy ho tahian'ny Tompo!

 

 

Tontolo iainana | Hevitra (3) | Hametraka hevitra

02/23,2012

Miasa miaraka!

Notontosaina tamin'ny Alahady 12 febroary 2012 lasa teo, tao amin'ny trano filanonana "Cercles des cheminots (madarail) Antanimena, ny fety fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an'ny mpikatroka SEKRIMA (Sendikà Kristianina Malagasy).

(Ry zareo birao ao amin'ny sekrima)


Fotoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana, taorian’izany, nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpikambana sasany izay nizara ny traikefany eo amin’ny sehatry ny asa, tao ireo lasa mpiasa tena no nizara ny fahombiazany amin’izany, tao ireo afaka nitaky ny zony noho ny fidirany sendikà sy ny sisa maro hafa. Ny fotoana toy izao koa moa dia fotoana iray hanehoana ny maha iray ny mpiasa, fotoana  hifankafantarana, ahafahan’ny mpiasa mifanakalo hevitra momba ny tontolon’ny asa, ary fotoana iray ialana voly eo amin’ny samy mpiasa.

 

(Liana ny mpiasa nihaino ity tovolahy efa lasa mpiasa tena nizara ny traikefan'ny fahombiazany)


Amin’ny maha solontenan’ny mpiasa ahy, dia anisan’ny teny filamatra ho entiko manatontosa izany andraikitra izany ny hoe” Ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahalalaham-pitenenana  eo amin’ny tontolon’ny asa”, “la justice sociale et la démocratie dans le monde du travail”.

Indramiko eto ihany koa ny fitenin’ilay filoha teo aloha hoe “ Miasa miaraka no fanombohana”, mila miara–miasa tokoa isika ho entina hiadiana amin'ny fahantrana. Raha tsy misy ny mpiasa mampiroborobo ny orinasa sy manampy amin’ny fivoaran’ny toe-karena, tsy hisy ny fampandrosoana. Raha marary ny mpiasa, marary ny toekarena.


(Fotoana iray niarahan'ireo mpiasa niara-paly sy nifankafantatra)


(Tao ireo mpiasa nanafana ny lanonana)


Arak’izany, miantefa indrindra ho an’ireo mpampiasa, ny governemanta, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny hafatra, Aza avela harefo tompoko ny mpiasa Malagasy, tsinjovy izy ireo fa izy ireo no anisan’ny antoky ny fampandrosoana ny firenena, jereo akaiky ny famoronanan'asa mahavelona sy manara-penitra ho entina hiadiana amin’ny fahantrana , ny fampiroboroboana ny famoronana orinasa sy ny fahaizana asa izay fomba hanamafisana ny fihariana sy  ny fampivelarana ny maha-olona.

(Mpiasa miandrandra fahamarinana ara-tsosialy sy fahombiazana)

Eny, samy tompon’andraikitra na izaho na ianao. Isika mpiasa, tokony hanaja sy hanatontosa ny asa amin’ny hatsakany sy andavany, ianareo mpampiasa, tokony hitsinjo sy hiaro ary hanaja ny zon’ny mpiasa. Aza heverina ho toy andevo hamelona anareo mpampiasa  ny mpiasa, fa aoka hipetraka hatrany ny fifanajana sy ny fintsinjovana ny mpiasa madinika. Ho anareo mpitondra sy ny mpiray tarika aminy, ajanony ny fampitomboana ny harenareo ka omeo lanjany ny mpiasa Malagasy miaina anaty fahantrana

 

“Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana” (II Tes. 3: 10b).

 

 

Asa | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

02/01,2012

Mpiasa an-trano

Sarotra ny fiainana

Noho ny fahasarotam-piainana, ny fidangan'ny vidim-piainana, dia samy mandeha miasa mitady vola avokoa na ny lahy ny vavy mba hampifameno ny vola miditra ao an-tokantrano, arak'izany, mivoaka ny trano ny maraina ary ny hariva vao mamonjy fodiana izy ireo, hany ka dia tsy manam-potoana firy intsony amin'ny fikarakarana ny asa rehetra ao an-tokantrano, ka mahatonga azy ireo tsy maintsy mitady mpanampy, arak'izany hoe mpanampy, dia manampy amin'ny asa rehetra ao an-trano izy. Ity resaka mpanampy ity indrindra no tiako horesahina.

Maromaro ny teny iantsoan'ny olona ny teny hoe mpanampy, ao ny miteny hoe, mpiasa, solafa, sns...Raha ny marina aloha dia mpiasa daholo ny tsirairay na izaho na ianao ka tsy tsara loatra ny manaivaiva olona amin'ny fiantsoana na fitondrana azy. Fa rehefa miteny hoe mpanampy dia ny ao an-tsaina voalohany dia ny hoe tsy manana ny maha-izy azy ilay olona, tsy nahavita fianarana, mahantra, sns...Eo koa ny fitondratena ratsy ataon'ireny mpanampy sasany ireny ka mahatonga izany fitsarana izany, any ka tsy voahaja intsony na ny zo maha olombelona azy ireo aza. Ny ankamaroan'izy ireny matetika dia zaza tsy ampy taona avokoa.

 

Kely karama

Fantatra ihany koa fa kely dia kely ny karaman'izy ireny, amin'izao fotoana izao mbola misy mikarama ambany indrindra 15 000 ar na 75 000 fmg (eny amin'ny tokantrano somary sahirana nefa mbola manarama mpanampy) ao kosa ny mikarama 100 000 ar na 500 000 fmg ny ambony indrindra (eny amin'ny tokantrano manan-katao, na mety ho vazaha,..) arakaraky ny fari-pianan'ilay tokantrano ny karaman'ny mpiasa, fa amin'ny ankapobeny aloha dia eo amin'ny 30 000 ar (150 000 fmg) hatramin'ny 50 000 ar (250 000 fmg) eo avokoa.

 

Kamo miasa sady ratsy fitondra-tena

Na izany na tsy izany, izaho manokana dia tsy mba tia mpanampy an-trano izany noho ny antony maro samihafa, ohatra eo amin'ny lafiny fahadiovana, ny lafiny ara-bola (sady fandaniam-bola no manelingelina izy ireny indraindray), ny sasany rehefa hirahina miantsena tsy maintsy maka tombony kely foana, ny sasany voretra, ny sasany kamo, ao ny variana amin'ny sipasipa, ao ny mangalatra, ao ny misarika na manadala an'ny ramoseSurprised, ao ny mampiana-dratsy ny ankizy kely ao an-trano, tsy voara-maso intsony ny fahadiovan'ny sakafo, ny gouter-ny ankizy sns...

Ao kosa anefa ireo tena vonona hiasa, tsy manao tsirambina ny asa ataony, mazoto, tsara fitondra-tena ary maharitra miasa an-taonany maro mihitsy, vitsy anefa ny toy izany.


Paikady hiakarana an-drenivohitra

Fa isaky ny mitady mpanampy ny olona dia hoe avy any Antsirabe, avy any Fianarantsoa, avy ny Ambatolampy indrindrindra na avy any ambanivohitra lavitra be ka tsy maintsy omena saran-dalana hiakarany aty Antananarivo. Paik'ady daholo anefa izany mba hamelezana anao, roboka ianao satria avy any lavitra ilay olona ka ho tamana satria lavitra ny misy azy, tsy mahalala fianana an-drenivohitra, sns.. lazaina koa fa azo antoka izy ee, miasa tsara izy ee, hendry be izy eee, patati patata eee,...nefa rehefa afaka andro vitsivitsy, akory ny hagaganao fa olona mahay zavatra be no sady olona mipetraka ery akaiky kely ery fa tsy any Antsirabe na avy any ambanivohitra akory, ianao fotsiny no very vola nanome saran-dalana, sns... Misy kosa anefa ny tena avy any lavitra be fa mody te hiakatra aty an-drenivohitra fotsiny ka paikady ihany ny hoe mitady asa an-trano, tsy misy 2 volana akory izy dia efa manita-tsaina hitady asa hafa tsaratsara dia avelany eo ianao.


Hafa ihany i Neny

Marina fa reraka Neny manenjika ny asa an-trano rehetra, indrindra raha mbola miasa koa izy, kanefa tsy misy afa-tsy Neny no azo antoka, mirindra avokoa ny zava-drehetra ao an-tokantrano rehefa i mama no mikarakara. Noho ny fahasarotam-piainana anefa dia manampy amin'ny fitadiavam-bola koa izy, tsy ataony ambanin-javatra ny fianakaviany na dia izany aza. Fa izao koa moa e, ianareo lehilahy (ny sasany) aza dia kamo Smile loatra, faly miantehitra amin'ny vehivavy foana amin'ny raharaha rehetra ao an-trano, fa mba reraka ihany izahay lazaina fa fanaka malemy itony. Arak'izany tokony hifanampiana ny asa rehetra ao an-tokantrano mba ho tokantrano sambatra no kendrena.

Raha mbola azo atao dia aleo mihitsy tsy misy mpanampy fa rehefa tsy vita intsony ny asa ao an-trano vao maka mpanampy azo antoka, tsy mora tokoa ny mitady olona hiasa an-trano ka aleo tsy mirotoroto sao sendran'ny olo-dratsy, hangalatra fotsiny no alehany ao dia iny izy no tsy hita, avelany irery ao ny zaza-kely.


Asa | Hevitra (17) | Hametraka hevitra

01/23,2012

Politika Makaleo

Manoloana ny zava-niseho tamin'ny Asabotsy 21 janoary 2012 lasa teo dia tsy hay ny hangina, anisan'ny nanaraka akaiky sy nazoto nizara vaovao tamin'ny alalan'ny Facebook, ary Twitter(@mammysou) nampiasana tenifotra #M21112 ny tenako, nisesisesy tokoa ny fandefasana vaovao nandritra io fotoana fitsenana (tsy nahomby) ny filoha teo aloha io.

Nanomboka ny andro nanambaran'ny filoha teo aloha ny andro ahatongavany eto an-tanindrazana no efa nanomboka maresaka ny tanàna, na tamin'ny haino aman-jery izany na tamin'ny serasera. Tao anatin'izany, maro be ireo faly toy ny mpomba azy, maro koa anefa ireo tsy mankasitra izany, tao ireo tsy nino intsony fa hoavy marina izy, tao ireo nihevitra fa fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny,...hita fa sahiran-tsaina ihany koa ny fanjakana.

               (Sary avy amin'i Sebastien Hervieux, mpanao gazety niara-dia tamin'ny filoha teo aloha)

Tonga ary ilay fotoana mafana nifampiandrasana, efa vory lanona tanteraka ny vahoaka teny Ivato, vao maraimbe koa dia efa teny an-toerana ny polisy nisahana ny filaminana, nosakanan'ny polisy ny lalàna mitsofoka ao anatin'ny seranam-piaramandina ka tsy azon'ny vahoaka nidirana, natao ve izany mba hanamorana ny fisamborana an-dRa8? sa hisorahana marina izay mety ho korontana ao anatiny araka ny voalazan'ny polisy?? Mazava ho azy fa hanamorana ny fisamborana an-dRavalo satria nahoana tamin'ny fahatongavan'i Ratsiraka navela hiditra malalaka tao anatin'ny seranana ireo mpitsena?

Mety efa nivonona tamin'ny fisamborana an-dRavalo ny miaramila sasany, tsy nampoiziny anefa fa tampoka teo nisy notam nilatsaka avy any ambony. Natahotra tampoka angamba Rajoelina dia namorona notam haingana, tsy norarahiny intsony ny zon'ireo mpandeha hafa noho izay tahotra izay. Azo lazaina koa anefa fa mety efa paikady na fika be an-dRajoelina koa ilay notam amin'izay mety ho lany kèrosène ny voromby dia hihantsona ao Morondava mba hisamborana mora foana an-dRa8. Ady sy fitapitaka politika araka ny nolazain'ny namana mpamaham-bolongana hoe Izay ilay politika tokoa izy ity.

Nahabe resaka tokoa ny fisian'ity NOTAM (note aux hommes d'aviation) avy any amin'ny filohan'ny Tetezamita ity nandritra izany fotoana izany, satria nilaza ny minisitry ny serasera fa tsy nisy izany NOTAM izany fa paikady miaramila no natao, ka nasaina nihantsona ao Morondava ny voromby ahafahana misambotra am-pilaminana ny filoha teo aloha. Mahamenatra sady maharary toy ny tongom-bavivaky ny fanambarana lainga nataon'ny minisitry ny serasera, soa fa nahita maso ny fisian'io notam io avokoa ny mpanao gazety sy ny mpiserasera.

                                   (Notam nolavin'ny minisitry ny serasera)

Nanamafy kosa ny praiminisitra Omer Beriziky fa tsy avy amin'ny governemanta ny notam. Arak'izany, ny filohan'ny tetezamitatra zany no nanapa-kevitra samirery tany? Nahoana kosa no any Morondava izy no hosamborina mangingina? iza no mahalala izay mety hanaovan'ny polisy azy any na hovonoiny na tsy fantatra izay toerana hametrahana azy? Natahotra koa angamba Ravalo dia tsy nety nihatsona tany Morondava fa aleony eny Ivato ihany, sitrany hahay mba misy vahoaka miaro azy raha hosamborina tampoka izy?? Eo ny vahoaka hanao sorona ny tenany hiarovana an-dRavalo? 

Marina tokoa ny tenin'ny sasany hoe misafidy ny lohany nefa matahotra ny masony, rehefa vonona hosamborina indray ny filoha teo aloha vao mihemotra toy ny fozaoranaTongue outny fitondrana.

Amiko manokana tokony tsy hisy olana ny fodian-dRa8 eto an-tanindrazana, izy rahateo efa vonona ny hosamborina na hanao sorona ny ainy araka ny filazany, koa maninona raha samborina fotsiny izy dia hoentina eny amin'ny fitsarana hotsaraina. Io resaka fitsarana na didy fampisamborana ny filoha teo aloha io foana manko no biby fampitahorana an-dRavalo tsy hitodi-doha aty an-tanàna. Fa izao kosa, takiana ny fahaleovantena tanteraky ny fitsarana, izay anisan'ny fitakiana atao'ny SMM (sindikà ny mpitsara) amin'izao fotoana izao. Ho tanteraka anie ny fitakian'izy ireo amin'izany fahaleovan-tenany izany.

                                                         (Sary: TopMada)

Amin'ny saina tsy miangatra, raha tsy mitanila tokoa ny mpitsara dia tokony hahita fa samy diso na ny filoha teo aloha Marc Ra8 na i RAjoelina raha ny raharaha 7 febroary izay hanenjehina mafy ny filoha teo aloha no jerena, samy diso na ilay lazaina fa nanome baiko nitifitra na ny nandika lalàna nitondra ny mpanao fihetsiketsehana eny amin'ny faritra mena, raha tsy nisy ny fandikan-dalàna nataon'ity farany ity,tsy nisy ny faty olona. 

Na izany na tsy izany aza, tokony efa tsy manan-kery intsony ihany koa ny fanenjehana atao amin'ny Ravalomanana noho izy didy navoakan'ny fitsarana notendrena teny amin'ny kianjan'ny 13 mey, izany hoe mbola fitsarana mitanila. Tsy manan-kery ihany koa ny fanenjehana satria araka ny lalam-panorenana, ny "Haute Cour de Justice" no misahana ny raharaham-pitsarana mikasika ny filohan'ny repoblika fa tsy ny "Cour Criminelle". Ny tondrozotra rahateo koa mitaky ny "traitement égalitaire" ho an'ireo mpitsoa-ponenana ka rehefa afa-niditra malalaka taty Madagasikara Ratsiraka dia tokony avela tahaka izany koa Ra8. 

Fantatra fa olona iray no namoy ny ainy, 4 naratra ary 7 no voasambotra nandritra ny fotoana fitsenana an-dRavalo. Mampahonena tokoa izany. Marihana fa amin'ny tranga tahaka itony, dia tsy ilaozan'ny mpanararaotra, satria nisy ny fitaratra vaky tamina fiaran'olo-tsotra, sns...

                                  (Sary avy amin'ny namana tao amin'ny Facebook)

Tsy mitsahatra ary tsy reraka mandrakariva ny mamerina fa tsy misy afatsy ny fifampidinihana, na  ny fihavanam-pirenena "reconciliation nationale" no vahaolana, avy eo ny fanatanterahana fifidianana  madio sy mangarahara mba hivoahana amin'ny krizy sy hizorana mankany amin'ny repoblika faha-4. Raha ao amin'ireo mpanao politika ireo tokoa ny fitiavan-tanindrazana dia tokony hifamela izy ireo ka ny tombotsoan'ny be sy ny maro amin'izay no hombanjinina satria efa tena sempotry ny halalin'ny fahantrana ny vahoaka tsy mandady harona.

Tena makaleo be ilay resaka politika fa ohatra ny tsy mety zany fa mbola maneho hevitra ihany ny tenako, tsy azoko mihitsy, hiezaka hangina angamba amin'ny sisa Sealed!! 

Farany, aza mba manaiky atao tohatra fiakaran'ny mpanao politika izany isika vahoaka, tombotsoan'olom-bitsy ve no anaovantsika sorona ny aintsika!TSIA!

 

 

Politika | Hevitra (5) | Hametraka hevitra

12/04,2011

Hidera Azy!

  Mba haneho hevitra kely indray amin'izao andro Alahady izao e!, izay andro fitsaharana natokana ho fiderana an'Andriamanitra. Marihana fa samy manana ny andro Sabatany ny tsirairay, ao ny andro Asabotsy ho an'ny advantista, ao kosa ny andro Alahady ho an'ny protestanta, ny katolika, sns...Tsy hiadi-kevitra na hifanenjehana anefa ny amin'izany fa ny zava-dehibe dia Andriamanitra iray ihany no ivavahana. Araka ilay hiran'ny Groupe Daniel : Asabotsy sa Alahady

 

Mba manamarika ve ianareo hoe na andro Alahady aza ohatrany mbola tsy mahafoy an'ity solosaina ity fa tsy maintsy mijery vaovao kely na mitsidika Facebook kely, sns foana, ka lasa kamo mihitsy handeha hivavaka sy hamita adidy any am-piangonana fa satry ho eto amin'ny solosaina eto foana. Tokony ho tadidiana sy hankatoavina anefa ny voalaza ao amin'ny Didy folo (Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy.....dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy) Eksodosy20: 8-11. Mety samy manana ny fandraisany izany teny izany ny tsirairay. Mampalahelo anefa fa izahay miasa Alahady miditra @ 3, tsy voahaja tsy fidiny ilay didy folo Frown, na izany aza tsy manakana ny hivavaka maraina.

Misy gaga izao ny sasany hoe mitoriteny ve ny tenako izany? tsy zavatra tsara anefa ve izany?? zara aza misy fomba iray mba ahafahana mizara ny teny tsara, ny teny soa! tapa-kevitra mihitsy aho androany fa ho atokako ho an'ny Tompo  ny andro isaky ny Alahady amin'ny alalan'ny fandehanana mivavaka, ny fizarana ny teniny sy ny hira fiderana eto amin'ny solosaina (Facebook, Bilaogy, Twitter sns...)Smile, eny fa na dia miasa aza indraindray ny hariva. Mahatsiaro manana adidy amin'ny Tompo tokoa ny tena noho ny fitiavany, ny famindrampony, ny fahalebiazany, sns...Ny fahasoavan'ny Tompo no nahatoy izao antsika koa mazotoa amin'ny fanompoana Azy. Tsarovy fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina ao amin'ny Tompo. Atolotra antsika ity hiran'ny tarika Ndriana Ramamonjy  ity: Misaotra anao zahay

 

 

Fivavahana | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

11/26,2011

Lalina ihany ity politika ity!

     Mba hiresaka politika kely indray ny tenako androany, sady elaela tsy nanoratra. Taorian'ny fahatongavan'ny dadabe Ratsiraka teo dia fantatra koa androany fa mety higadona eto an-tanindrazana ihany koa i Tojo Ravalomanana (zanak'i dada) miaraka amin'ny vady aman-janany sy i Guy Rivo Randrianarisoa rahampitso amin'ny 2 ora sy folo minitra tolakandro. Ny fiara-manidina "Air Links" no hitondra azy ireo.

     Nizotra tsara tsy nisy korontana ny fahatongavan'ny dadabe :) tamin'ny Alakamisy teo. Hita kosa fa tsy nisy na dia iray aza avy ao amin'ny fitondrana tonga nitsena azy, kanefa ny filohan'ny Tetezamitatra ihany no efa namela azy malalaka hody an-tanindrazana, midika indray ve izany fa tsy dia nankatoavin'izy ireo indray ny fodian'ny Ratsiraka? inona no dikan'ity governemanta vaovao vao natsangana izay dradraina fa firaisam-pirenena ity raha toa ka tsy mba nisy solontena iray tonga akory tamin'io fotoana io? Na dia hipi-maso an-dRatsiraka fotsiny aza?!!?.Tsetratsetra tsy aritra fotsiny ny ahy fa tena efa antitra Ratsiraka ka rariny amin'izay kosa raha mipetraka ho toy ny ray aman-dreny fa tsy mitetateta mbola hirotsaka hofidiana intsony. Toa hanehoany fa mbola mahavita azy ve ireny paompy kely Tongue out36 nataony ireny? 

    Hoavy koa hono ny zanaky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, Tojo Ravalomanana sy i Guy Rivo Andrianarisoa rahampitso, hisava làlana koa ve? hitsapa izay mety ho fihetsikin'ny fitondrana? Amiko manokana dia tokony tsy hametraka olana ny ahatongavan'izy ireo, zony ny mandao sy miverina indray eto an-tanindrazany. Fa manao ahoana ary izao ny fihetsikin'ny mpitondra manoloana izao vaovao misesisesy momba ny fodian'ireo sesin-tany eto Madagasikara izao? Tsy misy tokony hampikoropaka azy angamba? fa ny olana lehibe azy ireo fotsiny dia ny mety ho fahatongavan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, inona loatra no antony? mpifanandrina atahorana mafy ve izy hoy ny maro? Tsy hiresaka be ny momba ny raharaham-pitsarana mahavoarohirohy azy kosa aho, fa raha ny hevitro manokana dia ... aleo tsy ambarako ndrayLaughing 

 

   Asa aloha izay ho tohin'ny tantara amin'izao fahatongavan'ny Amiraly izao,sy izay ho mety fahatongavan'ireo olona akaiky ny filoha teo aloha Ravalomanana.Fa ny fanantenan'ny vahoaka dia ny hiravonan'izao krizy manempotra izao. Samy diso avokoa na ireo filoha teo aloha na ny filohan'ny tetezamita fa ny fifamelana no tokony atao. Izay tokoa angamba ilay politika, tsy misy "sentiment" fa fankahalana, valifaty no mibahana, ary indrindra ny fitadiavana tombotsoa manokana. MampalaheloCry. Tsy lazaina intsony ny fitadiavan-tseza. Ny vahoaka hatrany anefa no mizaka ny tsy rariny noho ny afitsoky ny mpanao politika. Ny vahaolana tsotra dia ny fifidianana atao anatin'ny mangarahara tanteraka ihany, avela hirotsaka izay hirotsaka dia anjaran'ny vahoaka ny maneho ny safidiny. 

 

Politika | Hevitra (2) | Hametraka hevitra

04/20,2011

Tonga soa mammysou!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

Ankapobeny | Hevitra (0) | Hametraka hevitra

1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»